Actualités

Tetikasa Atrika Hamafisina ny fiarovana amin’ny loza sy ny tandindon-doza


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Hamafisina indray ireo hetsika mikasika ny fiarovana amin’ny loza sy ny tandindon-doza tanterahin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary amin’ny alalan’ilay tetikasa Atrika.

Notontosaina omaly Talata 26 Jolay tao Antaninarenina ny fanokafana izany tamim-pomba ofisialy. Tetikasa iarahan’ny “Humanité et Inclusion” miasa akaiky amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) izy io raha tsiahivina.Isan-taona, dia tsy afa-bela amin’ ireo loza sy tandindon-doza samihafa i Madagasikara, izay azo lazaina fa mahery vaika mihitsy. Ao ny rivodoza sy ny tondra-drano izay mahatonga ny mponina, indrindra fa ireo marefo misedra fahasahiranana mafy na dia maro aza ireo hetsika ho an’ny maha-olona efa natao.Tanjon’ny tetikasa noho izany ny fanamafisana ireo hetsika mialoha ahhafahan'ireo mpisehatra amin'ny fitantanana sy ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza manatsara ny fiarovana ireo olona marefo indrindra, hamonjy aina bebe kokoa, hanatsara ny loharanon-karena ary hiaro ny tombontsoa azo amin'ny fampandrosoana. Mifototra amin’ ireo hetsika na fandraisana andraikitra mialoha ny tetikasa. Hanampy amin'ny fahaiza-miatrika sy fahafaha-miatriky ny vahoaka marefo indrindra ireo mety hiharan'ny loza ny hetsika.Vatsian'ny Birao Federaly misahana ny Raharaham-bahiny Alemana (GFFO) ny Tetikasa atrika haharitra mandritra ny telo taona.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpizaika tetsy Antaninarenina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT