Hanatanteraka ilay tetikasa Aintsoa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho fitsinjovana ny mponina. Tsy nandeha irery anefa izy nandritra izany fa mifanome tanana miaraka amin’ny ONG Gret sy ny orinasa Nutri'zaza.
Nomarihiny tamin’ny fanatontosana sonia fifanaraham-piaraha-miasa izany omaly, ho tombontsoan’ny rehetra. Ity tetikasa ity raha tsiahivina dia manampy amin'ny fampihenana maharitra ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahasalamana, ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny lahy sy ny vavy amin'ny fanatsarana ny sakafo sy ny fari-piainan'ireo fianakaviana marefo an-tanàn-dehibe, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy. Hanampy amin'ny fanatsarana ny fidiran’ny vokatra avy eto an-toerana, hampiroborobo ny fanjifana azy ary hanaparitaka ireo fomba fanao hatolotra amin'ny sakafo sy ny fahasalamana ihany koa ity tetikasa ity.Hiatrika ny tsy fitoviana ara-pahasalamana, sosialy ary lahy sy vavy, izay tena fototry ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny tetikasa. Hapetraka araka izany ny zaridainan-java-maniry ao amin’ny tokantrano marefo sy ny zaridainan’ny sekoly miisa 800 farafahakeliny manerana ireo Fokontany 192 mandrafitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Vita omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny telo tonta
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.