Actualités

Tetibolan’ny kaominin’i Toamasina I Nanjavona sahady ny 350 tapitrisa Ar ho an’ny solika


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Ny volana martsa teo no nandany ny tetibolan’ny kaominina nitentina 07 arivo tapitrisa ariary ireo filan-kevitry ny tanŕna.

 

 In-droa  nandalo teo anivon’izy ireo izany vao lany noho ny tsy faneken’ny prefen’i Toamasina ny voasoratra tao anatiny noho ireo sora-bola nisy tsy nifandanja.Tao anatin’io teti-bolan’ny kaominin’i Toamasina I 2016 io, dia nitentina 350 tapitrisa ariary no natokana ho an’ny fividianana solika, ka ny ampahany betsaka amin’izany ampiasaina amin’ny fampandehanana ireo fiara be ilaina amin’ny fanadiovana ny tanàna. Efa-bolana aty aoriana dia nanjavona sahady io ampaham-bola io, nefa ny fako tsy afaka, ny tanàna maloto, ary eo koa ny fanampiana ataon’ireo orinasa amin’ny kaominina. Mampiahiahy io fahalanian’ny vola io kanefa ny asa tsy vita. Mangataka fanadihadiana lalina tamin’ny nandaniana ny vola 350 tapitrisa ariary ny filankevitra monisipaly. Marihana fa tamin’ireo ben’ny tanàna teo aloha, dia ampy tsara ny kaominina nandritra ny taona ny vola 350 tapitrisa ariary natokana ho an’io solika io fa tsy hoe aty amin’ny volana aogositra dia efa lany.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT