Actualités

Tetibola Ny 20% ihany no tokony hotantanin’ny fanjakana foibe


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011

Olana ara-drafitra sy ara-pitantanana noho ny tsy fisian’ny politika ara-toekarena mazava no mahatonga ny fitotongan’ny seha-pihariana sy ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra eto Madagasikara.

 Samy tsy nahomby avokoa ireo fitondrana nifandimby raha ny fijerin’ireo mpahay toekarena mivondrona ao amin’ny CREM. Tsy misy ny fametrahana laharampahamehana amin’ny seha-pihariana, nofaritana saingy tsy nampiharina ny fanokanana tetibola araka ny fandaharanasa efa voafaritra mialoha, tsy misy ny fandrindrana ny asan’ny ministera isan-tsokajiny, mivangongo eo anivon’ny fanjakana foibe ny tetibola ary tazonin’ny mpitondra ho azy ireo samirery ny vaovao ilain’ny vahoaka. “Fepetra tsy maintsy tontosain’ny orinasa mitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika mialoha ny hanomezana azy fahafahana mitrandraka ny fanaovana ny politika ampiharina hamerenany amin’ny laoniny ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny fitrandrahana ataony. Ambaran’ny ONE, izay ofisy misahana izany, fa tsiambaratelo anefa ny vokatr’izy ireny rehefa anontaniana izany hoe atao tompon-trano mihono ny vahoaka”, hoy Rajaonson Hugues, mpahay toekarena ao amin’ny CREM. Sosokevitry ny fikambanana, araka izany, ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny sehatra mahakasika azy. Ny fahatontosan’izany dia ahafahan’ny tsirairay manara-maso ny asan’ny mpitondra sy mangataka amin’izy ireny ny fanatanterahany ireo fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy miafina amin’ny vahoaka ihany koa ny tombontsoa azon’ireo orinasa isan-tsokajiny no sady mangarahara koa adidiny ara-tsosialy sy toekerana omeny ny fiaraha-monina. Zava-dehibe koa anefa ny fanovana tanteraka ny fitsinjarana ny teti-bola. Omena tantanin’ny vondrom-bahoakam-paritra ny 80%-n’ny tetibola fa ny 20% ihany no ankinina amin’ny ministera. Hisorohana amin’ny mety olana ateraky ny tsy fahampian’ny mpiasa manana traikefa hisahana izany andraikitra izany eny amin’ny faritra dia alefa any amin’ireny vondrom-paritra ireny ny ankamaroan’ny mpiasa. Ny 30%-n’ny teknisianina ihany sisa no ajanona eny amin’ny ministera. Mihevitra koa Rajaonson Hugues fa tokony homena lanja amin’izay ny seha-pihariana sy otrikarena mampalaza ny faritra isanisany ary miainga amin’izay ny fampandrosoana atao. Mila miditra amin’ny sehatra fanodinana sy famokarana goavana koa isika fa atao akora fototra sisa ny vokatra ara-pambolena. Raisiny ohatra ny fanodinana ny fary ho lasa “ethanol”.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT