Nandiso fanantenana ny sehatra tsy miankina ilay volavolan-dalànan’ny tetibola 2014 nivoaka farany teo.
Tsy hita soritra ao mihitsy mantsy ireo soso-kevitra naroson’izy ireo toy ny tahan-ketra 10% itovizan’ireo orinasa rehetra, anisan’izany ny famoahana ireo lalàna momba ny fampihenan-ketra mifehy ny fampiasam-bola mihatra avy hatrany amin’ny taona 2014. Tafiditra tao ihany koa ny famerana ny tataon-ketra ho 10% amin’ireo vokatra tena ilain’ny mpanjifa. Nambaran’ny solontenan’ny sehatra tsy miankina fa zava-dehibe ny fikaonan-doha iarahan’izy ireo amin’ny mpitondra fanjakana handinihana manokana ireo fepetra mikasika ny fandoavan-ketra amin’ny ankapobeny izay mifanindran-dalana amin’ny fanomezana ainga vao ny sehatra tsy miankina. Efa nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita moa ny delegasion’izy ireo nifanakalo hevitra momba ity hetahetan’ny sehatra tsy miankina ity. Tsara ny mampahatsiahy fa vinavinaina ho 3% ny fisondrotry ny harinkarena amin’ny taona 2014. Ny 2,4%-n’ny harinkarena no tratra raha novinavinaina ho 2,8% izany tamin’ity taona ity. Nahatratra 2,5% kosa izany ny taona 2012. Mitentina 806,3 miliara Ariary ireo fandaniana amin’ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ny taona ho avy raha 744 miliara Ariary izany ny taona 2013. Tsy mbola voaresaka ihany koa ny fiverenan’ny famatsiam-bola avy any ivelany izay mifandray mivantana amin’ny fiverenan’i Madagasikara ao anatin’ny tany tan-dalàna aorian’ny fahalanian’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka voafidim-bahoaka.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.