Actualités

Tetezan’Ampasika Saika nisy maty ireo mpilomano mitsambikina…


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Efa manomboka miditra tanteraka ao anatin’ny hafanana isika eto an-drenivohitra ankehitriny.

Amin’iny atoandro iny no tena mampahazo vahana izany izay efa mahatratra hatrany amin’ny 39°C mihitsy raha araka ny fanadihadiana natao. Mahatsiaro ho reraka sy tsy mahazo aina vokatr’izany ny rehetra ka lasa mamonjy toeram-pilomanosana kely. Ho an’ireo tanora sy ankizy eny amin’iny faritr’Itaosy, Bemasoandro sy ny manodidina iny dia fantatra fa marobe izy ireo no lasa milomano eny amin’ny tetezan’Ampasika. Eny ambony tetezana mihitsy ny sasany no misaoty mankany anaty rano, antony mampitangoron’olona eny an-toerana isan’andro. Zazalahy kely iray sahabo 14 taona araka izany no saika nilentika tsy nivoaka intsony rehefa nanao izany ny faran’ny herinandro teo. Tsy fantatra mazava na sempotra vokatry ny herin’ny rano nitsambikinany avy any ambony tetezana no nahatonga izany na natahotra ireo vatobe eny amin’ny sisin-drano nojereny avy eny ambony izy ka nahafaty lolo azy. Na izany aza avotra soamantsara ihany izy. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo Ray aman-dReny manan-janaka lahikely eny amin’ireo faritra ireo mba samy hitandrina sy hanara-maso ny zanany. Tsy hananam-piry mantsy ny aina ka aleo mitandrina hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT