Actualités

Tetezana Amboay Ambositra 12 lahy tsy ampy taona nanolana vehivavy iray


  • Zoma 25 Novambra 2022

Trangam-piarahamonina isan’ny nanamarika ity herinandro ity ny fanolanana nataona tovolahikely miisa 12 ny vehivavy iray voalaza fa efa ampy taona.

Raha ny fanampim-baovao, teo Ambodimanga andrefan’ny tetezana Amboay izay tetezana ao amin’ny Toby Fiantsonan’ny fiara na « Gare Routière Ambositra » no nisehoan’izy ity ny alin’ny afak’omaly alarobia 23 novambra 2022. Nampiharan-dry zalahy ny filan-dratsiny ilay vehivavy, ka nalemy mihitsy rehefa nalaina tao anaty fotaka raha ny tatitra. Voalaza moa fa niaraka nisotrosotro tamin’ireo ihany izy, saingy raha ny fanamarihana dia tsy nisy nahare antso vonjy teo amin’ny manodidina. Voalaza fa tsy nahitana fimailo niparitaka teo amin’ny manodidina. Ny 2 lahy tamin’ireo 12 no voasambotra ny androntr’iny, ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga ny mpitandro filaminana. Efa nody omaly maraina kosa ilay vehivavy, rehefa avy nanaraka fitsaboana, raha ny fanamarihana sy fampitam-baovao omaly. Mirarakopana ary sesilany mihitsy ny resaka herisetra sy fanolanana, izay endriky ny fahasimban’ny fiarahamonina. Mila jerena akaiky, ary mila mitandrina hatrany ny isam-batan’olona. Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT