Fampitam-baovao avy any ivelany tamin’ny talata 19 febroary 2013 teo no nahitana tamin’ny aterineto (www.businessweek.com) fa misy eritreritra ny amin’ny hivarotana ny mpandraharaha amin’ny resaka telefaonina sy fifandraisan-davitra Telma, any ho any.
Olona roa mahafantatra tsara ny antontan-taratasy rehetra momba izany no nahazoan’ireo mpanao gazety vahiny ity vaovao ity, raha ny fitantarany. Eritreretina ho manodidina ny 500 tapitrisa dolara no hamarotana ny Telma, araka ity fampitam-baovao ity ihany ary misy ny orinasa nalaina manokana mihitsy hikarakara ny antontan-taratasy rehetra sy hijery izay orinasa afaka hividy ny Telma. Tsara homarihana fa nahatratra 1,8 tapitrisa ny mpanjifa amin’ny finday tao amin’ny Telma tamin’ny 2011, ary nahatratra 134 tapitrisa dolara ny totaliben’ny vola azony tamin’ny varotra nandritra io taona io ihany. Nosokajiana ho goavana indrindra raha amin’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny telefaonina sy ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara ny Telma, ny vondrona Bharti Airtel Ltd manana ny foibeny any Inde sy ny Orange an’ny France Télécom no mpifaninana mivantana aminy eto.
Dokambarotra mipoapoaka
Raha ny fahitana azy aloha dia mandeha tsara araka ny fomba fiteny ny fandraharahany, ka tsy fantatra na vinavina fotsiny ihany izao na tena hamidy tokoa ny Telma. Raha izay no izy dia tsy mbola fantatra koa ny antony tsy maintsy hivarotana azy. Rehefa misy moa ny fiovam-pitantanana amina orinasa goavana tahaka izao dia tsy maintsy misy fiovana ihany koa ny fomba fiasa sy ny politikan’ny orinasa, tahaka ny hoe fampihenana na fampitomboana ny isan’ny mpiasa. Raha ny zavatra hita nandritra ny fitondrana tetezamita aloha dia nety tsara mihitsy ny afera ho an’ny Telma satria maro ny tsena azony sy fifanarahana goavana nahitana azy, na eo amin’ny resaka fanatanjahantena io na eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina. Tahaka ny orinasa rehetra anefa dia mety manana olana ihany koa ny Telma ka izay no mety nikarohan’ireo mpitantana azy hevitra sy paikady vaovao. Ho hita eo ny tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.