Actualités

Televiziona Malagasy Enim-bolana tsy misy Tale


  • Talata 14 Jona 2016

Tamin’ny desambra 2015 no nanana Tale farany ny Televiziona Malagasy, taorian’ny nanesoran’ny fitondrana an’i Lantomalala Rasata ny 30 desambra 2015.

Nihazakazahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny nanala tamin’ny toerany ny Tale tompon-toerana tamin’izay, tsy nandingana faran’ny taona, mba hanao taom-baovao akory. Raha ny hamehana tamin’izany dia toa efa vonona any ny handray an-tanana an’ity fahitalavi-panjakana ity, nisy rahateo ny anaran’olona efa henoheno teny nefa tsy mety voatendry hatramin’izao, enim-bolana aty aoriana. Vonjimaika ihany koa no misahana ny asa aman’andraikitry ny tonian-dahatsoratra. Maromaro ihany izay filankevitry ny minisitra tontosa izay, ary nisy hatrany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony fa tsy tao anaty lisitra ny an’ity TVM ity. Tsy laharam-pahamehana sa tsy firaharahana tsotra izao ? Higadona anefa ity ny fetim-pirenena, sa izao no mahamety azy ? Sa atao ady gasy izy ity ka vitavita ho azy eny ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT