Tech-Info Antsirabe

> Manaraka ny fivoarana ny fampianarana


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Namoaka manampahaizana ambony momba ny taranja Informatika indray ny sekoly Tech-Info na ny “Institut Supérieur de Sciences et Technologie en Informatique Appliquée” ao Antsirabe ny alakamisy 29 aogositra lasa teo.

Andiany faha-13 ireto nivoaka ireto ahitana mpianatra niisa 20 mianadahy ka ny 15 tamin’ireo dia teknisianina ambony, ao amin’ny andiany “Sahy” izay niofana nandritra ny telo taona ary ny 5 kosa dia Injeniera avokoa izay nisafidy ny anarana “Mitsinjo”, niofana nandritra ny dimy taona. Anisan’ny mampiavaka ity sekoly ambony ity ny fahavitsian’ny mpianatra saingy avo lenta sy manaraka ny fivoaran’ny fandrosoana ny fampianarana. Nambaran’Atoa Ratsimbazafy Jean Marie, Talen’ny sekoly fa tsy mihoatra ny 20 ny mpianatra raisin’izy ireo mba ahafahana manara-maso tsara ny fianarany ary saika efa voafandrika avokoa ireo mpianatra mialoha ny hivoahany ao amin’ny sekoly, raha tsy hilaza afa tsy ireo Injeniera vao nivoaka. Hentitra, araka izany, ny fisafidianana azy ireo eo am-piandohana satria ireo mahazo ny naoty tsara amin’ny bakalorea ihany no ifantenana. Azo lazaina fa manana ny lazany any amin’ireo Nosy manodidina aty amin’ny ranomasimbe indianina ity sekoly ity satria dia misy hatrany ireo teratany Kaomôrianina mandranto fianarana ao amin’izy ireo. Tanjona, hoy ihany Atoa Ratsimbazafy Jean Marie ny hamoahana mpianatra afaka miasa avy hatrany na manokatra orinasa ho an’ny tenany aorian’ny fianarany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT