Actualités

Te ho fisaka kibo …ireo sakafo hanina sy tsia


  • Talata 10 Mey 2016

Fitandremana kely amin’ny fomba fisakafo fotsiny ihany dia ampy hampihenana ny kibo. Araho ange ireto torohevitra ireto, dia ho hitanao ny vokatsoa entiny.

1 – Tsy mihinana mamy

Fadiana tanteraka ny zava-pisotro misy entona, kaofitira, mofomamy… izany hoe : ny sakafo misy siramamy, indrindra eo anelanelan’ny sakafo sy mialohan’ny hatoriana ary alohan’ny hanaovana fanatanjahantena. Sakafo manankarena “feculent” hanina betsaka, toy ny voanjobory, varim-bazaha, tsiasisa…

2 – Legioma atoandro sy hariva

Asio legioma foana ny sakafo atoandro sy hariva, hanatsara ny fandevonan-kanina. Tsara kokoa raha tsy atao masaka be izany, na nendasina kely, na andrahoina vetivety tamin’ny entona, izany hoe : mbola mikarepoka tsara.

3 –Prôteina amin’ny sakafo

Ahena kely ireo sakafo mitondra menaka be loatra, fa soloina amin’ny sakafo mitondra proteina. Ohatra : henan-kisoa tsy matavy loatra, trondro tsy matavy loatra, akoho gasy sns Tsy adinoina ihany koa ny atody.

4- Sakafo hariva “detox”

Ireo manam-pahaizana momba ny sakafo no namorona ity fomba ity, hanalana ny tavy miandrona amin’ny kibo. Toy izao izy io : tsy asiana gliosida mihitsy ny sakafo amin’ny alina. Aleo legioma sy trondro, na legioma sy hena, na legioma sy “tofu” no hanina. Tsy aato mandritra ny 10 andro anefa io fomba io, mba handaitra tsara.

5 – Menaka manitra sy manadio

Farany, tokony diovina tsara ny ao anaty, raha tiana hihena ny kibo. Menaka misy hanitra no tsara indrindra, raha tiana handaitra tsara ny “antioxydant” entin’ny akora iray. Menaka 20 santilitatra no rarahana hanitra (dità, cumin, romarin…) 1 sotrokely. Iny no ampiasaina andrahoana sakafo avy eo.

Nelly-Bri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT