Te hanan-karena tampoka

> Merkiora sandoka no azo, nafoy ny 1.400.000 Ariary


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013

Vokatry ny krizy dia tsy mitsahatra mitombo ny olon-dratsy any amin’iny faritra Alaotra iny. Tsy misoritra ety ivelany ny maha olon-dratsy ka betsaka ireo voafitaka.

Ankoatra ny vaky trano sy ny halabotry isan-karazany dia miseho lany ny fisolokiana any amin’iny Distrikan’Amparafaravola iny. Nitondra faisana tamin’izany fisolokiana izany ireo olona mba naniry ny hanam-bola vetivety tao amin’ny Kaominina Ambatomainty sy Tanambe. Malaza ho mampanankarena haingana ny merkiora ka betsaka ireo olona any Alaotra no tafaroboka rehefa mandre io bizina iray io. Tsy bizina intsony anefa ilay izy fa soloky tsotra izao ka mitondra faisana izay sendra ireto mpanao ratsy. Najifa ny lelavola 1.400.000 Ariary saika hampitomboana tamin’ny alalan’ny fividianana merkiora. Soa ihany fa kinga ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena Amparafaravola ka sarona tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ireo mpanao ratsy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka tamin’ny alakamisy teo ilay atidoha mpanao ny fisolokiana miandry ny fotoam-pitsarana azy.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT