500 amin’izao fotoana izao ireo fiarakaretsaka efa voaisa sy ara-dalŕna ary 100 kosa no isan’ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra.
Miezaka manao izay hidirana amin’ny mangarahara amin’izao fotoana izao ny CUA, raha ny fanazavan’Andriamatoa Gabriel Harrison, lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna. Efa napetraka ao amin’ny birao misahana ireo fiara fitaterana ireo ilay fehezan-dalàna tamin’ny 1971 izay mamaritra ny tokony hataon’ny taxi. Anisan’izany ny hoe tokony hisy soratra maintimainty taxi eo amin’ny varavarana ary 4 santimetatra farafahakeliny ny haben’ilay soratra. Takiana izay rehefa hanomboka hanome ilay fahazoan-dalana hitatitra ny avy eo anivon’ny CUA. Ny fepetra fisavana moa, raha ny fanazavana, dia natao noho ny fitarainan’ireo mpitatitra matihanina sy ara-dalàna manoloana ny hafitsok’ireo tsy ara-dalàna. Mbola marobe ireo tsy ara-dalàna, hoy ny tompon’andraikitra, raha toa ka ny talata lasa teo fotsiny izao dia 20 no naiditra “fourrière”. Ezahana mba hosaziana daholo, hoy izy, ireo tsy ara-dalàna na tsy avela mandeha mihitsy. Nomena 3 volana hanaovana izay maha ara-dalàna ny fiarany moa ireo mpitatitra ka raha tsy mbola mahafeno ny fepetra raha toa dila izay fe-potoana izay dia tsy maintsy hampiharina ny sazy.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.