Actualités

Tatitry ny PNUD Niha nahantra ny Malagasy


  • Alatsinainy 28 Martsa 2011

Mampivarahontsana ny tarehimarika farany mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahantrana eto Madagasikara navoakan’ny PNUD na ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana.

Voalaza mantsy fa laharana fahatelo avy any amin’ny farany mialoha an’i Afghanistan sy Haiti i Madagasikara raha ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahalavorarian’ny sakafon’ny mponina ao aminy no jerena. Ratsy dia ratsy izany tarehimarika izany satria firenena miady lava sy niharan’ny loza voajanahary henjana ireo firenena roa mifanarakaraka amintsika ireo. Azo ambara hoe nihemotra isika amin’io lafiny io noho ny fisian’ny krizy politika sy ny fahatapahan’ny fanampiana avy any ivelany efa ho roa taona izao. Mbola ny tarehimarika navoakan’ny PNUD ihany no nahafantarana fa ny 76%-n’ny Malagasy no miaina amin’ny vola latsaky ny 1 dolara isan’andro. Nitombo io salanisa io raha nampitahaina ny tamin’ny 2008 satria 68% izany tamin’izany fotoana.

Raha tsorina ny resaka dia nitombo ny isan’ny Malagasy niha nahantra tato anatin’ny telo taona, ary mbola mety hitombo hatrany izany raha tsy mivaha haingana ny krizy politika. Mbola nanambara ihany koa ity tatitra ity fa tokony ho nahatratra ilay fampidirana an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra, izany hoe 100% mialoha ny taona 2015 isika, raha toa ka notohizana ny ezaky ny fitondrana teo aloha tamin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo na ny «Millenium goal», saingy tsy ho vita intsony izany ankehitriny noho ny fanonganam-panjakana nitranga teto amin’ny firenena.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT