Tarika Mahaleo

> Tena mbola mifankatia amin’ny mpijery


  • Sabotsy 15 Febroary 2014

Mbola voaporofo indray omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina fa tena mbola mifankatia amin’ny mpijery mpankafy azy ny tarika Mahaleo na iza mpikarakara ny hetsika na iza.

Somary niova kely ho ny Mi-Ritsoka Production mantsy no nikarakara ity fampisehoan-dry Dama ity rehefa somary variana any amin’ny resaka politika ny mpikarakara teo aloha. Vao maraindraina mihitsy omaly dia efa nahatazanana tanora nilahatra marobe nanodidina ny rindrimben’i Mahamasina ary tafahodina nanodidina ny tamboho iray manontolo mihitsy izany nialoha kelin’ny fampidiran’olona. Feno fiara koa ny manodidina ity tambohon’ny kianjan’i Mahamasina manontolo ity. Ny alakamisy hariva moa dia efa fantatra fa lany ny tapakila ka ireo izay tsy mbola nahazo fa tara tamin’ny fividianana izany dia tratran’ny nividy tapakila iray tamin’ny vidiny avo roa heny. Tamin’ny 7ora sy sasany hariva katroka no maty ny jiro tao amin’ny efitra fampisehoan’ny Lapan’ny kolontsaina nilaza fa hanomboka ny hetsika saingy folo minitra taty aoriana vao tena vonona ry Dama sy ny tariny ka niakatra lampihazo. Tsy nisy alaharo fa tonga dia hafatra ho an’ny mpifankatia no noventesin’ny tarika tamin’ny alalan’ny “Hiaraka isika” hatrany amin’ny “Ravorondreo” namarana ny tapany voalohany rehefa nandalo ny “Hanaraka anao” izay nahazo “bis”. Nampieritreritra ihany ny tenin’i Dama lasalasa ho azy tamin’ny fiantombohana nanao hoe : “Rehefa tsy ho eo intsony izahay dia ny hiranay mbola hokaloinareo foana”. Dia nanaraka tsy tapaka ny hira tokoa ireo mpanotrona izay tanora avokoa ny 80% fa nisy rahateo ny tononkira niseho tamin’ny “écran géant”.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

Hijery ny tohiny
FTT