Actualités

Tarika Firmin Niharan-doza tany Moramanga


  • Talata 29 Mey 2012

Niharan-doza ny tarika Firmin avy nanao fampisehoana nandritra ny roa andro tany Toamasina ka handeha hiantsehatra any Ambatondrazaka omaly alatsinain’ny Pentekosta.

 Ny alatsinainy tamin’ny 2ora maraina, teo amin’ny 12km tsy hahatongavana an’i Moramanga dia tsy tafiditra anaty tetezana ny fiara “minibus” ary latsaka 6 m ivelan’ny lalana tany ho any. Naratra eo amin’ny tarehiny i Firmin vokatry ny fidonany tamin’ny fitaratra anoloan’ilay fiara. Izy sy i Ludovic izay “manager” ny tarika no teo aloha. Ity farany dia tapaka ny tanany. Ny mpikapoka aponga maroanaka an’ny tarika ihany koa no tapa-tongotra. Ankoatra izay dia ratra madinika, tsy dia misy atahorana ny an’ny ambiny izay samy tazana nanamafy ny fizaham-pahasalamana tetsy amin’ny HJRA avokoa omaly takariva rehefa samy nahazo ny fizaham-pahasalamana vonjimaika tany amin’ny hopitalin’i Moramanga. Eny amin’ny HOMI Soavinandriana kosa i Firmin no notsaboina. Ny tomban’ireo niharam-boina voalohany dia hoe : mety ho azon’ny torimaso fotsy ilay mpamily.

Nangonin’i Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT