15 ka hatramin’ny 25% ny fiakaran’ny saran-dalana eny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty.
Tsy takatry ny besinimaro io fiakarana io amin’ny ankapobeny antony mampihena ireo mpiala sasatra mivoaka ny faritra hatrany amin’ny antsasa-manila. Raha 300 isan’andro teo aloha ireo taxi brousse mivoaka ny faritra dia nihena ho 160 isa sisa izany ankehitriny. Na izany aza ny Faritra Boeny no tena be mpandeha amin’izao noho ny toetr’andro any an-toerana mafana. Miisa 64 isa isan’andro noho izany ireo fiara mivoaka mankany an-toerana mitondra ireo mpiala sasatra. Miisa 32 isan’andro kosa ireo miazo an’i Toamasina. Hentitra hatrany ny fampiharana ny fepetra sakana eny amin’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka amin’izao na izany aza. Mipetraka hatrany ary nampitomboina ilay tranokely lalovan’ny mpandeha misy fanafody hahafahana miady amin’ny Covid 19 ho entina misoroka ity valan’aretina ity. Mikasika ny fisian’ireo mpitora-bato any amin’iny lalam-pirenena fahaenina sy fahaefatra moa dia fantatra fa misy hatrany ny fiaraha-miasan’ity tobim-piantsonana amin’ireo mpitandro ny filaminana ho fiarovana ny mpandeha sy ny fananany. Tsy maintsy manao caravane hatrany ireo taxi brousse miainga eto an-drenivohitra isan’andro. Miisa 800 moa hatreto ireo taxi-brousse miasa etsy amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka, miazo ny lalam-pirenena voalohany, faharoa,fahaefatra, fahadimy A ary fahaenina.
Pati
Legende : Nihena be ireo mpiala sasatra mivoaka any amin’ny faritra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.