Lehilahy iray mpisoloky amin’ny taratasim-panjakana no tratran’ny Service
Régional Police Judiciaire Analamanga teny Analakely ny 21 Desambra teo. Nametraka fitoriana mivantana tao amin’ity sampandraharaha iray ity ny lehiben’ny Centre Immatriculateur Faritany Ambohidahy (CIM) raha tsiahivina noho ny fisian’ny olona manao hosoka ny rendez-vous amin’ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia. Ny 23 Novambra lasa teo no nitrangan’ny tantara. Nisy olona tonga tao amin’ny CIM Ambohidahy nitondra rendez-vous permis de Conduire. Rehefa nojerena io rendez-vous io dia voamarina fa hosoka satria tsy mitovy amin’ny fampiasan’izy ireo mihitsy ny cachet en tête sy ny cachet rond eo aminy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nilaza ilay olona nitondra ilay rendez-vous fa vehivavy iray mpanera eo amin’ny CIM Ambohidahy no nanome azy izany. Tamin’ny fanadihadiana io vehivavy mpanera io no nanondroany lehilahy izay mpanera eo amin’ny CIM Ambohidahy nambarany fa nanome azy io rendez-vous io. Natolotra ny fitsarana ilay ramatoa mpanera ny 01 desambra teo ka nahazo sous contrôle judiciaire kosa namoahan’ny mpitsara didy fampisamborana sy fanadihadiana kosa ilay lehilahy mpanera. Marihina moa fa nahitana ny kitapo teny amin’io lehilahy io niaraka tamin’ny taratasy hosoka samihafa toy ny Certificat médical, rendez-vous permis de conduire, rendez-vous mutation, rendez-vous immatriculation miampy cachet BMH, timbre date, encreur ary lakaoly. Niaiky ny heloka vitany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.