Telo alina nisesy aho izay ry Jean tsy mba nopizin-tory mihitsy fa zary nivandravandra tao anaty haizina tao foana â !
Tamin’ny alahady, taorian’ilay fanatrehana ny hetsika “Fair Play”an-dry Rajao Mianakavy teny Mahamasina iny dia tsy matiko lolo mihitsy ny faharesena nahazo antsika iny fa zary nampandrotidrotika ny tao anatiko tanteraka ary niteraka alahelo anaty ho ahy mihitsy. Aiza ve ry Jean, dia ry Rajao Mianakavy kaozatina sy fohy kely ireny dia nahavita nanamontsana antsika 5 no ho 1 be izao ? Dia nanampy trotraka izany koa ny fieritreretako ny nahazo an’ise manokana tamin’ilay siotsioka nataon’ny mpijery teny amin’ny “gradin”. Fa dia inona loatra ho’aho no mahazo ireto olona ireto no namana efa manetry tena miondrika sy mifandray tanana amin’ny tsy mitovy hevitra aminy no mbola atao ireny ihany ? Tena nalahelo an’ise mafy aho â ! Mbô marina ê ! Ny alatsinainy alina indray ry Jean ny antony tsy nahitako tory dia ny fieritreretana an’ilay fiavian’ilay Madama efa novoizin’ny rehetra hatramin’ny maraina tamin’io andro io. Dia ho tonga ihany tokoa ve ? Dia inona no hitranga sy hiseho ? Dia ahoana isika ireto ? …
Tsoriko ry Jean fa nipararetra hatramin’ny ravim-pijamako mandra-paharain’ny andro. Tena tsy nanome hafanana mihitsy ny «double face» roa be izao nirakofako fa ise angaha ahoana â ! Ary omaly alina indray ankoatra an’ilay ahiahiko amin’izay zavatra hiseho amin’izao fahatongavan’i Madama izao dia tena nampivadibadika ahy teo ambon’ny spaonjy manara-penitra natoriako mandra-parain’ny andro indray ilay hoe TIKO ho sokafan-dramatoa iny. Kotsan-drora mihitsy anie ry Jean ny fandriana manontolo tamin’iny e ! “Poah ! Poah !” tsy misy farany no nivoaka ny vavako iny alina iny. Izany tokoa angamba no nahatonga ireny ntaolo razantsika ireny nivoadivoady ny hoe : “aleo enjehin’ny omby masiakan’ny dahalo, toy izay henjehan’ny eritreritra”. Ise ity tsy ahitan-teny ity kosa angamba aloha inoako fa nahita tory tsara alina â ?
Marco Rainitetaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.