Fa tena hamaha olana marina ve ny SADC sa hamboly olana vaovao indray ? Izao dia efa mibitaka čry ny mpomba ny fitondrana fa efa akaiky, hono, ny fankatoavana.
Fa mihevitra ve ianareo fa tsy hahatadidy ny lasa izahay vahoaka ? Tsy i Andry Rajoelina ve ilay nilaza sy nidradradradra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey fa ampy antsika ny harena ananantsika eto Madagasikara na tsy misy fanampiana avy any ivelany aza ? Nomena tsiny mihitsy ny mpitondra teo aloha satria nifandray be tamin’ny any ivelany ny toekarentsika. Telo taona izao ianao no teo Andriamatoa, ary mifototra aminao ny raharaha ankehitriny. Mahay raha marina Andriamanitra. Hay ity olona nilaza ho mahavita azy samirery indray ity no mitalaho fankatoavana avy any ivelany andro aman’alina. Raha hendry dia vahao haingana ny krizy fa mijaly ny vahoaka ! Ity misy torohevitra raha tsy mahita vahaolana ianareo mpitondra ireo. Miala eo amin’io toerana io i Andry Rajoelina dia mivaha io. Tsy hitako ny mahamaika anareo amin’ny fifidianana. Mino ve ianareo fa hivaha ny krizy raha misy fifidianana ? Izaho milaza fa vao mainka ho krizy hafa indray no hisy eto. Tsarovy fa nisy olona nalaina tamin-kery tsy ho amin’io toerana io teto. Io olona io aloha asaivo miditra eto Madagasikara handray anjara amin’ny fifidianana izay hatao izay vao hilamina isika Malagasy. Lazaina fa naloan’ny vahoaka iny. Ampandraiso anjara amin’ny fifidianana izy dia ho hita eo izay haloan’ny vahoaka. Mahagaga ange ianareo e ! Ataonareo izay fomba rehetra tsy hidiran’iny olona iny eto, dia midradradradra amin’izay ianareo fa tsy matahotra na fifidianana inona na fifidianana inona no atao eto. Satria tsy misy mpifaninana matanjaka hifaninanana aminareo tsinona eto afa-tsy iny olona sakananareo iny. Koa asa na hisisika ihany ny SADC hanao fifidianana eto ! Fa tsorina kosa aloha, rehefa tsy mandray anjara iny olona iny dia ataovy 100% ny vato azonareo fa tsy handany andro handatsa-bato izahay. Tsy ireo mpanohitra ao amin’ny fitondrana ao akory izahay ka hataonareo tohatra fiakarana. Be loatra izay fandrebirebena izay, menaka mora e ! vary mora e ! HIMO atsy HIMO aroa. F’angaha HIMO no nampanantenaina ny vahoaka teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, telo taona lasa izay. Tsy manina ny tongolon’i Egypta akory fa raha izao zava-misy izao dia aleo ihany nijanona tany Egypta ; tany mantsy ny zanakay mba nianatra ara-dalàna, mba niasa izahay, mba nihinana yaourt ny zanakay rehefa hianatra, mba tsy nandoa saram-pianarana ny zanakay, nomena blozy sy kitapo maimaimpoana ny zanakay. Izao tsy mahalala afa-tsy ny foloalindahy ny mpitondra. Ireo ihany no heveriny fa vahoaka Malagasy ka dia voakisany sy ampanaraniny fo. Ny tambin’izany moa dia hoe : darohy baomba mandatsa-dranomaso sy kapohy amin’ny kibay izay mitaraina amin’ireo vahoaka ireo. Dia iny tokoa ny anao lahy fa manatanteraka sao tapaka tsinona ny fiadanana. Aiza koa moa no hisy ohatra an’ity ?
Tena mampalahelo
Tsy hitako ny tokony hividianana “Force One” nefa ny vahoaka noana, hoy ny filohan’ny HAT moa sa FAT raha taty Toliara izy tamin’ny 2009 iny, natao tao amin’ny kianja Maitre Kira ny lanonana tamin’izay, ary notohizany hoe : tsy “Force One” no ilaintsika vahoaka eto toliara fa force ho hanina. Ataoko fa tadidiny filoha Andry Rajoelina tsara iny kabary iny. Izao mitokona daholo ny rehetra vao gaga ianareo. Mitokona izy satria tsy hita ilay “force” hohanina, tsy ampy ny eo am-pelatanana nefa ianareo voky dia voky ery.
Aza mila tompon’andraikitra hafa hamaha ny olana tompoko o ! Nahoana no nitsangana ianareo rehefa nanao ny ataony ny CAPSAT. Tsy misy olona tokony hamaha ny olana angaha tao no nitsangana ianareo, tsy manana basy marina moa koa, “la craie” ve hitovy amin’ny basy, na hatoraka anareo iny tsy haharary akory. Lazainareo fa tsy tokony ho amin’izao tetezamita izao no hanaovana fitakiana isan-karazany fa mbola sahirana ny firenena. Oviana tsy sahirana moa ny ao amin’ny fitondrana e ? Sady izao koa, nahita vahaolana ianareo tamin’ny fitokonana nataon’ny mpampianatra mpikaroka, ny mitam-basy, ny dokotera koa nahoana ianareo no tsy hahita vahaolana amin’ny fitokonan’ny mampianatra mpanabe ? Mandiniha tena ianareo mpampianatra raha izany no izy, fa dia ho Ramosén-traka lava eny ianareo. Anana izany traka izany aty aminay.
Ny hamaranako ny ahy dia ity tranga niseho tamin’ny sabotsy e ! Tena mampalahelo ! Raha ireny no fandraisan’andraikitra nataonareo mpitandro ny filaminana tamin’ny fotoana nitarihan’i Andry Rajoelina vahoaka tamin’ny 2009, ataoko fa tsy ho izao sisa ny TVM sy ny RNM, ataoko tsy nisy magazay may teto Antananarivo sy taty amin’ny Faritany. Fa saingy izao tsy nampaninona anareo ny nanaovan’i Andry Rajoelina an’ireo, fa ireto vahoaka vory tsy nanimba na nandoro zavatra ireto no ampisehoanareo ny herinareo, ary dia milaza fa nanantateraka ny asanareo ianareo. Tsarovy anefa fa misy farany ny zava-drehetra. Raha tena hiasa tompoko dia tongava ao Bezaha fa ao no tena misy asa ngeza be miandry anareo. Toa ianareo nihirahira fahiny izany atao hoe demokrasia izany indray ity no lasa tsy mahazaka demokrasia. Lazao indray hoe nokaramaina ireny olona marobe ireny !
Monja, Toliara
Alarobia 2 mey 2012
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.