Actualités

Taratasin-dRatsirahonana Nanakana ny fiverenan’i Dada


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011

Nanao izay fomba rehetra tsy nahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Nanao ranolava ny famoahana NOTAM (Notice Air Men), farany tamin’izany ny NOTAM nosoniavin-dRatsirahonana Mamonjisoa Wilfrid, Tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar), milaza fa olona tsy fampiditra an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany.

Io taratasy io no tsy nahafahan’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany nahitana an-dRtoa Lalao Ravalomanana vadiny, ny zanany vavy tokana Sarah Ravalomanana, ny zanany lahiaivo, Tojo Ravalomanana ary ireo mpiara-miasa aminy toa an-dry Guy Rivo Randrianasoa, Olivier Andrianarisoa, Rasoazanakolona Zo Haga niala avy ao Afrika Atsimo hihazo an’i Madagasikara ny sabotsy 19 febroary. Efa tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Johannesbourg Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana sy ny ankohonany, ary efa teo am-panaovana fanamarinana farany ireo mpandeha sy ny entana miaraka aminy na «checking» ny zotram-piaramanidina South Africa Airlink tokony ho nandehanan’izy ireo ho aty Madagasikara no nitontona io NOTAM nosoniavin-dRatsirahonana io, ka tsy navela hiondrana amin’ny fiaramanidina indray izy ireo.
 
Araka ny fantatra aza dia mety tsy niainga mihitsy ilay fiaramanidina raha niakatra izy ireo. Tsy niato teo, fa namandrika fiaramanidina manokana ankoatra ny Airlink ny filoha hodiana aty an-tanindrazana kanefa dia tsy afaka niainga izy io noho io NOTAM io ihany, ary io no tsy nahafahan’ny filoha Ravalomanana Marc tonga teto Madagasikara tamin’io sabotsy 19 febroary io.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT