Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly ny volavolan-dalàna momba ny fifandraisana sy ny asa fanaovan-gazety.Andrasana arak’izany ny fandalovany mba ho dinihana sy holaniana eny amin’ny antenimieram-pirenena.
TOAMASINA
Niverina niasa omaly ireo kaoperativa amin’ny zotra rejionaly, mihazo ny lalam-pirenena faha-5, ny mianatsimo mankany MAVAM sy ny miankandrefana mihazo an’i Alaotra Mangoro, rehefa nitokona iray andro ny alarobia teo, noho ny tsy fankatoavana ny fepetra vaovao nampiharin’ny ATT na Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
TSY FANJARIAN-TSAKAFO
Mbola ezaka be no ataon’i Madagasikara handresena ny tsy fanjarian-tsakafo. Raha ny antontanisa mantsy dia iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo ny 50,1%-n’ny mponina eto Madagasikara. Sarotra ny hahatrarana ny tanjona hahafoana io tsy fanjarian-tsakafo io amin’ny taona 2030.
MAHAJANGA
Nitrangana fandotoana ranomasina amin’ny alalan’ny solika any amin’ny fari-dranomasin’i Mahajanga, taorian’ny fahaverezan’ny solika amin’ny barika nentina sambo any an-dranomasina teo anelanelan’i Mahajanga sy Kaomôro.
BEZAHA
Miverina ny fandriampahalemana any amin’ny Kaominina Bezaha, Distrikan’i Betioky Atsimo, hatramin’ny nampiharana ny Dinabe, iarahan’ny andrimasom-pokonolona sy ny mpitandro ny filaminana miasa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.