Actualités

Tapatapany PPN


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Nisondrotra ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro eny an-tsena. Niakatra manodidina ny 1.000 ariary, ohatra, ny gony 50 kilao amin’ny siramamy sy lafarinina.

 Torak’izany ihany koa ny vidin’ny legioma sy vary. Anton’ny fiakarana moa ny vidin-tsolika tsy mitsaha-mitombo, araka ny fanazavana.

Fanambaram-pananana 

Tsy mbola nanao fanambaram-pananana ireo loholon’i Madagasikara 14  amin’ireo 63, araka ny hita amin’ny tranokalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny datin’ny 11 jolay 2016. Olom-boafidy ny 12 amin’izy ireo raha 2 kosa ireo notendren’ny filohan’ny Repoblika.

Harena ankibon’ny tany 

2,12% ny vola ateraky ny vokatra anatiny miditra amin’ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany Malagasy ankehitriny. Mpibizina avokoa rahateo ny 95%-n’ireo manana fahazoan-dalana mitrandraka, hoy ny minisitra mpiahy. Mahatratra hatrany amin’ny 40% na 50% anefa io salan’isa io hoan’ny firenena zambianina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT