Actualités

Tapatapany PODIUM GOAVAMBE


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Mba hisorohana ny korontana sy ny asa ratsy fanararaotana amin’ny fahabetsahan’ny olona dia ho tapaka mandritra ny firavan’ny lanonana « Podium goavambe »

 

hatao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, manomboka amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva ka  tsy ho azo alehan’ny fiarakodia ny lalana eo Analamahitsy akaikin’ny tobin-dasantsy Total midina mankany amin’ny cité Analamahitsy mihazo an’Antsonjombe ny alahady 19 jona 2016 izao.

 

ANDRO TSY HIFOHANA SIGARA

Ny tanànan’Antsirabe hotarihan’ny Lehiben’ny Faritr’i Vakinankaratra sy ny Ben’ny tanànan’ny renivohitry ny ranovisy no handray ny fanamarihana ofisialy ny « Andro iraisam-pirenena tsy hifohana sigara 2016 » amin’ny alatsinainy 20 jona ho avy izao.

 

MAKIS

Tsy maintsy tafavoaka ho mpandresy ny Makis de Madagascar eo amin’ny fifaninanana rugby à XV Can 1 B hotontosaina etsy Mahamasina ny alahady 19 jona tolakandro, hoy i José kapiteniny, manoloana ny mpilalao goavamben’ny Sénégal. Efa hitanay ny filalaon-dry zareo tamin’i Zambia ka ny tetika dia ny famizanana azy ireo amin’ny hazakazaka fa tsy miditra anaty fifangaroana aminy.

 

HETSIKA FIRAISANKINA

Hisy hetsika Firaisankina Zumba sy Hazakazaka karakarain’ny Federasiona Malagasin’ny taranaja Atletisma sy ny mpikarakara ny Frankonia ho fanohanana ny handraisantsika ny fivoriamben’ny Frankofonia. Hotontosaina manodidina ny farihin’Anosy ary hiainga manoloana ny vavahadiben’ny kianjan’i Mahamasina izany ny alahady 20 jona maraina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT