Actualités

TAPATAPANY “PERMIS BIOMÉTRIQUE”


  • Zoma 08 Jolay 2016

Nanomboka ny 6 jolay ny hetsika fanovana ireo taratasy fahazoan-dalana ho “biométrique” tamin’ny Distrikan’Andapa.

Miisa 400 ireo mpamily efa manana taratasy fahazoan-dalana tranainy izay hanavao izany ho manara-penitra kokoa sy manaraka ny toetrandro. Nitohy tany Antalaha izany ny 07 jolay 2016.

FANAMBOARANA AKANJO
Nihemotra eo amin’ny laharana faharoa amin’ny fanondranana entana mankany ivelany ny fanamboarana akanjo eto Madagasikara.
Maherin’ny 20% ny tahan’ny fanondranana ankapobeny ho an’ity sehatra ity. Nidina 8,6% moa io salan’isa io ny taona 2015, hoy ny Banky Foiben’i Madagasikara

FANOMEZANA RA
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-55 taonany dia nandray andraikitra mivantana lehibe dia lehibe ho an’ny mpiray tanindrazana tamin’ny alalan’ny fanomezan-drà teny amin’ny « centre de transfusion sanguine » ao amin’ny HJRA omaly ny fianakaviamben’ny Polisim-pirenena izao notarihan’ny Sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena.

LFR 2016 
 Niakatra ny fandaniam-bolam-panjakana ao amin’ny tetibola nasiam-panitsiana 2016. Mitentina 5.185,8 miliara Ariary izy io tamin’ny tetibolam-panjakana 2016. Mahatratra 7.123,3 miliara kosa izany amin’izao fotoana izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

Hijery ny tohiny
FTT