Nikatona omaly ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny Orinasa Fanalamanga. Minisitra sy olom-panjakana maro avy amin’ny Faritra
Alaotra-Mangoro no nanatrika ny lanonana. Hitarina amina faritra hafa ity orinasa ity ka anisany Analamanga sy Amoron’i Mania.
Zon’ny Mpanjifa
Hanao adihevitra hiantsoana vahoaka mikasika ny fiainana ara-tsosialy eto an-drenivohitra etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely ingahy Lita Rabenitsara, mpiaro ny zon’ny mpanjifa anio sabotsy 23 jolay 2016.
Fanatanjahantena
Hanomboka rahampitso alahady 24 jolay 2016 etsy amin’ny Urban Futsal Andraharo ny “Tournoi Futsal Féminin Amateur”, fififaninanana eo amin’ny taranja baolina kitra lalaovina anaty efitrano ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana.
Toekarena
Nanomboka omaly ary mbola mitohy ny hetsika “salon de l’entreprenariat” etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ahitana tranoheva manodidina ny 50. Tanjona ny fanomezana vahana ny asa fandraharahana sy ny fanomezana torolalana ho an’ireo te hanao izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.