Higadona eto Madagasikara amin’ny 28 jolay ny nofomangatsiakan-dRazafitrimo Rakotomalala Mino Andriantsiory Robiarisoa, ilay vehivavy Malagasy manan-janaka roa
, anisan’ireo namoy ny ainy tamin’ny asa fampihorohoroana nitranga tany Nice ny harivan’ny 14 jolay 2016. Ny 31 jolay no hanatanterahana ny fandevenana azy eny Ambohimanga Rova
FARAFANGANA
Tsy misy tokoranony ny lalana mirefy 5km nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hamboarina ao antampon-tanàna tamin’ny fitsidihany tany ny 19 martsa 2016. Ny lalana 20km hiditra ny tanàna moa mihapotika hatrany.
MVola
Mitohy ny fanomezan’ny orinasa Telma fahafahampo ireo mpanjifa. Tolotra vaovao fanampiana ireto farany ny fahafahan’izy ireo mandoa ny hofa sy ny saran’ny Canal+ amin’ny alalan’ny MVola.
AGOA
Nampahafantarin’ny Antenimieran’ny varotra amerikanina omaly ny «Agoa Resources Center» eny Ankorondrano. Antom-pisiany ny fanampiana ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany amin’ny fanomezam-baovao rehetra mikasika ny fanondranana akanjo sy lamba mankany Etazonia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.