Tapatapany Kmf

Cnoe


  • Alakamisy 09 Jona 2016

Mbola misy ireo olom-pirenena feno taona no tsy voasoratra ao amin’ny lisi-pifidianan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe.

 Manodidina ny 25,5% io salan’isa io, hoy ity firaisamonim-pirenena miandraikitra ny fanabeazana olom-pirenena ity.

Fanambaram-pananana

Maro amin’ireo olom-boafidy parlemantera no tsy mbola nanefa ny fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana Avo momba
ny Lalàmpanorenana. Famonjana an-tranomaizina 6 volana hatramin’ny 5 taona miaraka amin’ny lamandy 10 hatramin’ny 200 tapitrisa ariary no sazy miandry ireo olona tsy manatontosa voakasik’izany, araka ny lalàna velona.

Gefp

Nahitam-bokatra ny fiverenan’i Madagasikara teo anivon’ny tsena
Agoa. Manodidina ny 2 hetsy ireo asa hiforona ao anatin’ny sehatry ny orinasa afaka haba hatramin’ny taona 2020, hoy ny «Groupement des Entreprises Franches et Partenaires».

Fanomezan-dra

Hankalaza ny andro manerantany ho an’ny fanomezan-dra i
Madagasikara amin’ity taona ity. Homarihana ny 14 jona izany, araka
ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

LFR

Ho tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny 20 jona izao ny
volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2016.
Tokony
hivoaka ny 27 jona kosa ireo hevi-dehibe misongadina ao anatin’ity
LFR ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT