Hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy anio.
Hitondra fanazavana mikasika ny trosa miavosa baben’ity andrimpanjakana ity ny tenany mandritra izany.
LEADER FANILO
Hivoaka anio ny didim-pitsarana mikasika ny fitorian’ny filohan’ny antoko Leader Fanilo nihantona tamin’ny asany, Rakotomamonjy Jean Max an’i Mahosindrahaja Heriniaina na Babala tsy hampiasa ny sary famantaran’ny antoko sy ny hitondrany ny maha mpandrindra nasionaly azy ary koa ny hampiatoana ny fanatontosana ny filankevitra nasionalin’ny antoko ny 22 sy 23 jolay izao.
FIARAHA-MIASA
Nohamafisina ny tsenam-pifanakalozana eo amin’ny «Groupement des Entreprises de Madagascar» sy ny «Confédération des Entreprises Citoyennes de Tunisie». Hisongadina manomboka izao ny fanondranam-bokatra Malagasy mankany Tonizia, araka ny fanampim-panazavana.
FATMA SAMOURA
Nandray ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ny «Fédération Internationale du Foot-ball Amateur» azy ny talata teo tany Zurich i Fatma Samoura. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany amin’ny faran’ity volana jolay ity ny fitsidihana ofisialy eto Madagasikara.
AMORON’I MANIA
Tontosaina any Amoron’i Mania nanomboka omaly ny Rallye Mampiray, andiany faharoa. Andro faharoa ny anio. Niala tao Imady hihazo an’i Fandriana ireo mpifaninana anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.