Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013


Stewar iray no maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 omaly misandratr’andro. Niala lalana ary nifatratra tamin’ny rindritany teny Behenjy ny moto be nentiny, ary dia nizara telo mihitsy. Midika io fa mafy ny dona nahazo azy. Nezahina nentina namonjy hopitaly taty an-drenivohitra hanavotana ny ainy, saingy tsy tana.

Nametaka petadrindrina eran’ny tanàna ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, mitaona olona hilanja sorabaventy eny Analakely amin’ity anio ity. Hitaky ny hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity no voalaza fa anton’ny hetsika. Manana kandida filoham-pirenena ity antoko ity, dia Atoa Razafiarison Laza.

Nanafika zanabohitra iray tao Tsaratanàna, Faritra Betsiboka ny andian-dahalo ny sabotsy teo. Lehilahy mpiandry tanàna no voatifitra teo amin’ny ranjony ary rotika tanteraka. Tsy naka na inona na inona ireo jiolahy fa lasa taorian’izay. Voatery halefa aty an-drenivohitra ilay voatifitra noho ny halehiben’ny ratra nahazo azy.

Hisy filankevitry ny governemanta manokana amin’ity alatsinainy 22 jolay ity, handinika manokana ireo volavolan-dalàna mikasika ny fanavaozana ny firafitry ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT