Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 18 Martsa 2014


Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana ataon’ny taksibe mampitohy an’Ivato amin’ny renivohitra ny mponina teny Imaibahoaka omaly. Namono mpianatra roa ary nandratra enina hafa ny firimorimon’ny taksibe nifanenjika tamin’ny zoma. Na eny am-ponja aza ny mpamilin’ilay fiara nahavanon-doza dia mitaky ny fampiharana ny lalàna sy ny hanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana ny mponina, indrindra ny fianakavian’ny manamanjo.

Nanamafy i Gerry Rice, Talen’ny departemanta Seraseran’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena fa mankato ny mpitondra fanjakana vaovao eto Madagasikara. Ny fanapahan-kevitra dia mifanaraka amin’izay noraisin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fankatoavana ny filoha lanim-bahoaka vaovao. Mitarika any amin’ny famerenana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahiry sy ny firenena Malagasy izany, hoy ny fanazavany.

Mbola vao ny 0,01%-n’ireo mpianatra ao amin’ny Fakiolten’ny lalàna, toekarena, fitantanana sy fiarahamonina na DEGS no nisoratra anarana amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity. Ny faran’ny volana martsa izao anefa no farafisoratana anarana. Mitaraina moa ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny noho ny fahalafosan’ny saram-pisoratana anarana.

Nasongadin’ny birao vaovaon’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na SECES nandritra ny kongresy notanterahana ny 12 hatramin’ny 14 martsa 2014 teo tany Foulpointe ny tokony hampahaleotena ireo oniversite eto Madagasikara, indrindra ny lafiny ara-bola hanamorana ny fitantanana. Raharinosy Heriniaina moa no filoha vaovao mitarika ny Seces.

Efa manomboka ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ohatra azo tsapain-tanana amin’izany ny fandrarana ireo fiarakodia tsy hijanona amin’ny sisin-dalana eny Mahamasina. Hita ho mampihena ny fitohanana tokoa io fepetra noraisin’ny tompon’andraikitry ny tanàna io.

Hapetraka ny ekipa mandehandeha mpanara-maso ireo seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina eto Madagasikara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo. Noraisina io fanapahan-kevitra io hamehezana ireo fifanakalozana tsy ara-dalàna.

Mangataka ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo mba ho azo ampiasaina amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity ireo fotodrafitrasa vao naorina eny Ankatso izay toeram-ponenana vaovao natokana ho azy ireo.

Tokony handray andraikitra ny filohan’ny Repoblika ka hanendry avy hatrany ny praiminisitra, hoy i Pierre Tsiranana.

Niakatra ny saran-dalan’ny zotra nasionaly etsy amin’ny Fasan’ny karana nanomboka omaly. Ny antony, araka ny filazan’ny tompon’andraikitra amin’io tobim-piantsonana io dia miteraka fihenan’ny volan’ny mpitatitra ny fihenan’ny entana entin’izy ireo izay noferana, andro vitsivitsy izay.

Trano fivarotana iray no notafihan’ny andian-jiolahy teny Tanjombato ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo. Noraofin’izy ireo ny vola maty ny androtr’iny sy ny finday. Saika voatafika koa ny tobin-dasantsy teny an-toerana fa nisy nahatsikaritra ka tonga malaky ny mpitandro ny filaminana.

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT