Nitsidika ireo tobin’ny zandary teto an-drenivohitra ireo mpianatra taona fahatelo miisa 148 mirahalahy ao amin’ny Kolejy Masindahy Misely Amparibe, ny 13 martsa 2014 tontolo andro. Nanomboka teny amin’ny CFUM, GSIS, «Brigade cynophile” ary ny “Escadron parachutiste” Ivato izany, nitohy teny amin’ny Borigady Tanà-Ville Betongolo ary nofaranana tao amin’ny Toby Ratsimandrava. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fampianarana ity fitsidihana ity.
Manomboka ny fitsirihana ny zava-misy ao amin’ny seranan-tsambon’i Manakara. Nisy delegasiona teknisianina notarihin’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny asa vaventy tonga tany an-toerana. Hasiam-panamboarana ity seranana ity, izay efa tsy niasa nanomboka tamin’ny taona 2005 ka naha very asa olona manodidina ny 1000.
Zanakazo fihinam-boa 100 fototra niampy zanakazo sarobidy 18 karazany no nambolen'ny fikambanan'ny vadin’ny zandary ao Moramanga teo amin'ny tokotanin'ny Mozea ao amin'ny zandarimaria. Tafiditra ao amin'ny fandaharan'asa tsy maintsy atao ny asa fambolena toy izao ka nosafidiana ny andron'ny vehivavy no niara-namboly tamin'izy ireo koa ny lehilahy.
Feno alika mirenireny ao an-tanànan’i Mahajanga, misy manaikitr’olona. Tao amin’ny Fokontany Ambohimandamina manokana dia efa tafakatra 12 no voakaitr’ireo alika izay fantatra fa tsy vita vaksiny ka ahiana ny aretina haromotana. Fantatra fa hisy ato ho ato hetsika ho famongorana azy ireny ao Mahajanga.
Ho tohin’ny hetsika 8 martsa dia nanolotra bodofotsy sy vary iray kilao avy ho an’ireo vehivavy zokiolona tao amin’ny Fokontany Anosibe Angarangarana ny TAMIA. Notoloran’ny fikambanana biskoitra ireo ankizy madinika, ary Baiboly ho an’ny sefo Fokontany sy filohan’ny TAMIA Anosibe ho tohin’ny ady amin’ny fitiavan-tena.
Mbola mitaky ny hanomezana ny zony ireo mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita na efa nahazo karama febroary aza. 2 hetsy Ariary ho an’ny volana oktobra, novambra ary desambra 2013 ary 4 hetsy Ariary ho an’ny janoary 2014.
Voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy telo mpilalao ody mahery tompon’antoka tamin’ny fisian’ny aretina ambalavelona nahavoa ankizivavy miisa 36 tany amin’ny Kaominina Mandialaza, Distrikan’i Moramanga ny volana febroary lasa teo iny.
Tratran’ny polisy sakelika fahenina (BC6) etsy Anosy teny Ambodin’Isotry Rajim jiolahy ikoizana eto an-drenivohitra omaly. Olon-tsotra no nilaza tamin’ny polisy. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo ary tsy afa-nihetsika ity jiolahy. Mbola tratra teny aminy ny basy PA fampiasany miaraka amin’ny bala.
Nihena ariary zato ny vidim-bary etsy Anosibe. Ny fotsimbary novidiana 1.500Ar ny kilao efa nidina ho 1400Ar. Ny antony, araka ny filazan’ny mpivarotra dia ny fiakaran’ny varialoha. Ny vary vao aza 1200Ar ny iray kilao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.