43,5%-n’ny tokantrano malagasy no misokajy azy ireo ho sahirana raha 40,1% no mihevitra ho antonony araka ny vokatry ny fanadihadiam-pirenena mifototra tamin’ireo singan’ny tanjon’ny taona arivo fahatelo. Any amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana no tena ahitana ireo sokajin’olona tsy afa-po amin’ny fiainana satria tokantrano 7 amin’ny 10 izany.
Firenena iray mpihinam-bary betsaka isan’olona i Madagasikara. Ny ¾ amin’ny tantsaha Malagasy anefa no milaza ho tsy mahavokatra ity foto-tsakafo ity hamelomana ny fianakaviana. Nanambara kosa ny CIRAD fa nihena hatrany amin’ny 12% ny voka-pirenena ny taona 2013 mihoatra tamin’ny taona 2012.
Ny 04 hatramin’ny 08 jona 2014 ny andiany vaovao amin’ny hetsika Donia ao Nosy Be. Hanamarika ny fandaharam-potoana amin’ity taona ity ny fampisongadinana ireo tarika vao misandratra.
Mahatratra 326.000 taonina ny fitambaran’ny lanjam-bary nohafarana nanomboka tamin’ny volana jolay 2013 hatramin’ny faran’ny volana janoary 2014. Tokony ho afaka hamatsy ny tsenam-bary mandritra ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra 2013-2014 io.
Nifarana omaly alakamisy 13 martsa 2014 ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny rano izay nokarakarain’ny departemanta fizika sy simia eny Ankatso. Nodinihana nandritra ny telo andro ny fandraisana anjara amin’ny fampiharana ny politikam-pirenena momba ny rano.
Ankizy 3-21 taona miisa 26 no voapoizin’ny fihinanana tanantanampotsy teny Ampefiloha Ambodirano ny alarobia lasa teo. Avy nihinana ilay voa kelikely ilay niharany no marary kibo na mivalana na mandoa dia malemilemy tsy maharay tena. Efa nalefa teny amin’ny hopitaly HJRA avokoa moa izy ireo ary efa nisy ny nody. Tsy nisy ny aina nafoy. Mampitandrina ny mpitsabo fa tsy azo atao ny mihinana azy io.
Nihena be ny isan’ny mpianatra misoratra anarana eny Ankatso amin’izao fotoana. 1500 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny Fitantanana hatramin’izay nefa 20 izao no nisoratra anarana nandritra ny tapa-bolana nisokafany. Ny antony dia tafakatra 52.000Ar izy io raha 27.000Ar teo aloha ny taona vaolohany ka hatramin’ny fahatelo. Ny vatsim-pianarana anefa 4 volana no tsy azo.
Nisy fanafihana mitam-basy indray teny Antanivory Itaosy ny alarobia alina teo. Fianakaviana iray no voatafika. Vola 220.000Ar sy finday no lasan’izy ireo. Nanapoaka basy ireo jiolahy mba hampitahorana ny manodidina.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.