Ny 57,4%-n’ny Malagasy no mbola manary fako eny an-kalamanjana rehetra eny. Nahitana fitomboana 1,9% io salan’isa io teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2012. Karazana herimpo very maina ihany ireo ezaka notanterahana teo amin’ny sehatry ny fahasalamana noho ny tsy fifehezana mitantana ireo fako miparitaka etsy sy eroa ireo.
Andrasana amin’ity volana martsa ity ny fanombohana ilay tetikasa fametrahana ny vovonam-pirenena momba ny politikan’ny fiompiana sy ny famaritana ny andraikitra hosahaniny. Hisy iraka avy amin’ny birao afrikanina misahana ny tontolon’ny biby avy amin’ny Vondrona afrikanina ho avy tsy ho ela handrafitra ny paikady ho fanafainganana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana eto Afrika.
Nahitana fidinana 3% ny vidin’ny vary akotry tamin’ny herinandro faran’ny volana febroary 2014. Nilatsaka 41 ariary isa-kilao izany mihoatra ny tamin’ny taon-dasa 2013. Nitombo 49 ariary sy 94 ariary isa-kilao kosa ny vidin’ny fotsim-bary avy eto an-toerana sy nohafarana avy any ivelany mihoatra ny tamin’ny taon-dasa, hoy ny ivontoerana mpandinika ny vary. Nijanona ambonin’ny 2.000 ariary ihany koa ny kilaon’ny vary gasy ao Nosy Be sy Antsiranana I.
Nanambara ny voka-pirenena momba ny fanaraha-maso ireo Tanjon’ny taona arivo fahatelo ho an’ny fampandrosoana fa ny 52,7%-n’ny Malagasy no miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana. Faritra 9 amin’ny 22 no ahitana salanisam-pahantrana tena ambony be mihoatra ny 80% ka anisan’izany ny faritra Androy izay manodidina ny 97% io taha io.
8 miliara ariary mahery isan-taona no vatsim-pianarana ilaina ho an’ireo mpianatra Malagasy manovo fianarana any China sy Frantsa.
Nihatsara ny salanisan’ny mpandeha tamin’ny sidina anabakabaky ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar tamin’iny taona 2013 iny, hoy ny teo anivon’ity orinasa malagasy ity.
Tsy azon’ny olon-kafa hidirana intsony ny faritry ny tanin’ny minisiteran’ny fambolena eny Nanisana nanomboka omaly alatsinainy 10 martsa. Noraisina io fanapahan-kevitra io vokatry ny famaritana ny tanin’izy ireo tsy misy fierana. Ny minisitry ny ny fambolena, polisim-pirenena ary ny fiaroam-pirenena no nanambara iany teny an-toerana.
Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny oniversite iray avy any Indonesia sy ny oniversitrn’Antananarivo omaly. Ny fizarana traikefa amin’ny fampiharana ny LMD no tanjona eto.
Nahitana andrinjiron’ny jirama tapaka omaly teny Amboditsiry akaikin’ny sekoly Le petit Nid. Mitaraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra fa tsy afa-mianatra ny zanany noho ny tahotra ilay izy.
Mikaikaika ny mpampiasa ny lalana eto an-drenivohitra sy ny manodidina fa saika ahitana lavaka be daholo izay aleha rehetra.. Mampiteraka fitohanan’ny fiara izy ireny. Anisany ny eny Analakely,Besarety, Antanimena, 67ha, Ampitatafika…
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.