Fokontany 25 no nomen’ny UnHabitat tetibola 9 tapitrisa ariary isanisany teto an-drenivohitra ka nanatanterahana ny tetikasa fanatsarana ny tontolo iainany andavanandro ary tao anatin’ny fampandraisana andraikitra mivantana azy ireo izany. Ho an’ny fokontany Anosibe Angarangarana, araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany Maharitra Ali Petera, dia lalankely mirefy 80 metatra teo ho eo no vitan-dry zareo raha trano biraom-pokontany na trano fidiovana, na fotodrafitrasa araka izay nilainy no natsangan’ny fokontany hafa.
Fahombiazana ny seho roa natolotr’i Lalatiana ny mpankafy azy na teo amin’ny CCESCA na ny tao amin’ny Carlton. Ny tao amin’ny Carlton dia somary menamenatra ny mpijery tamin’ny voalohany ka dia nesorin’i Lalatiana izay toetra malagasy izay ka dia niaina tao anatin’ny feo blues sy mozika jazz ny mpankafy ary nalai-nisaraka ny roa tonta. Nanamarika ny fiverenan’i Lalatiana ny famoahany raki-kira roa vaovao nomeny ny lohateny hoe “Lalatiana manontolo”, ampahany amin’ny fampisehoana tao amin’ny lapan’ny fanantajantena sy kolontsaina tamin’ny desambra 2012.
Niampy 250 isa indray ireo tanora lahy sy vavy mpianatra nahazo ny mari-pahaizana DTS sy ny licence navoakan’ny “Université Privée de Madagascar”. “Manda” no anaran’ny andiany nahazo ny mari-pahaizana DTS raha “Ny Avo” kosa no anarana nampitondraina ireo nahazo ny “licence”. Nampiavaka azy ireo ny fiatrehany karazana kaonferansa maro niampy ny fianarana asa teny anivon’ireo orinasa lehibe, hoy Rakotovaoarison Haingo Nadia.
Nanamaloka ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa tany Vangaindrano ny fanolanana tovovavy iray nandritra ny fampisehoana an-tsehatra nataon’i Dah’Mama. Mateti-pitranga any Vangaindrano ny zavatra tahaka izao saingy tsy maharay fitoriana ny mpitandro ny filaminana satria matahotra ny fianakavian’ireo tovovavy na renim-pianakaviana voaolana, fa dia vitavita mora foana ny raharaha.
Pati/RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.