Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 08 Martsa 2014


Natao omaly teny Antaninarenina ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny paositra sy ny fifandrasain-davitra ary ny teknôlôjia vaovao Ny Hasina Andriamanjato sy ny mpisolo toerana vonjimaika, ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien. Amin’ny alatsinainy no voalaza fa handray ny asa maha PDS-n’Antananarivo Renivohitra azy i Ny Hasina Andriamanjato.

Misy fahasimbana ny fantsona be mpitondra rano manodina ny milina be mpamokatra herinaratry ny Jirama any Andekaleka. Mihena ny herinaratra vokatr’izay. Mitarika delestazy eto an-drenivohitra amin’ity faran’ny herinandro ity izany noho ny fanamboarana tsy maintsy atao. Mety hisy ny fahatapatapahan’ny jiro sy rano eo anelanelan’ny amin’ny 5ora30 maraina-9ora alina.

Nifarana omaly ny fiofanana momba ny fampiasana ireo solaitra nomerika notohanan’ny masoivoho frantsay teny amin’ny INFP Mahamasina. Mpampiofana sy mpampianatra avy amin’ny fanabeazam-pirenena sy teknika miisa 60 no niatrika azy io nandritra ny 3 andro. Nisy ihany koa fanomezana tabilao nomerika miisa 518.

Manolo-kevitra ny hampiharana ny demokrasia miompana amin’ny fandraisana anjara, ny governemanta iarahana ary ny fampihavanam-pirenena hisian’ny fitoniana ara-politika sy hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ny Hetsika Vonjy Aina tarihin’ny profesora Raymond Ranjeva.

Naroso hovakiana voalohany teo anoloan’ny filankevitry ny governemanta farany teo ny volavolana didim-pitondrana mamaritra ny sata fananganana ny antsoina hoe «Tahiry ho an’ny fiompiana».

Naato aloha ny soso-kevitra fanitsiana momba ny sandan’ireo entana nohafarana avy any ivelany voalaza ao anaty vatabe na “container”, araka ny fanambarana avy amin’ny filankevitry ny governemanta.

Miaina ao anatin’ny fiainana tsizarizary ny 88,2% na 3.050.352 amin’ireo mponina an-tanàn-dehibe. Tamin’ny taona 2012 dia 408.097 no isan’ireo mponina nipetraka tamin’ny trano milamina.

Mila miditra lalina kokoa ny FFKM amin’ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RJP tarihin-dRakoto Jean Pierre. Ny famerenana ny fikaonan-doham-pirenena tamin’ny taona 1991 no tena filamatra, hoy ny tenany.

Mbola manan-kery ireo taratasy natolotra ireo vondron’antoko politika fa tsy maharitra, hoy ny minisiteran’ny Atitany. Nanamarika ny minisitera fa 6 ihany ireo vondrona voasoratra ao aminy ireo.

Mahatratra hatrany amin’ny 10 tapitrisa dolara mahery ny fatiantoka amin’ireo orinasa afakaba mikirakira ny tenona, hoy ny mpahay toekarena Tiana Andria. Ny fotoana lany amin’ny fanendrena ny praiminisitra no nahatonga izany.

Niditra an-tsehatra tamin’ny fanalana ireo olona manoritra tany eny amin’ny tanim-panjakana eny Nanisana omaly ny mpitandro ny filaminana. Raha vao nahita izany ireo olona ireo dia lasa nitsoaka nandositra.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT