Tsy dia misy fiantraikany firy amin’ny firenena ny fisondrotry ny harin-karena 4 hatramin’ny 5% mihoatra amin’ny fitombon’ny mponina izay manodidina ny 3%, hoy ny tale misahana an’i Madagasikara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Mandrisika ny fitondram-panjakana hamorona asa ity mpamatsy vola mahazatra ity ho fampiroboroboana ny harin-karena.
Ny 5%-n’ny zavaboary manerantany no hita eto Madagasikara raha ny 90% amin’ireo no tena mampiavaka azy amin’ny firenena rehetra. Nahavita ezaka goavana teo amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana isika satria nihena 4 heny ny fahasimban’ny ala tao anatin’ny 20 taona, nitombo 11% kosa ny faritra arovana.
Maherin’ny 1.000 taonina ireo vokatra lany andro miampy sokajin’entana miisa 15.000 tsy manara-dalàna nesorina tamin’ny tsena malagasy tamin’ny taona 2013, hoy ny minisiteran’ny Varotra.
Nihantona ny fanapahan-kevitra fanalana ireo mpivarotra eo amin’ny tsenan’i Bagdad. Nanapa-kevitra ny hiandry ny fisian’ny Ben’ny tanàna vaovao ny Kaominina Antananarivo renivohitra fa tsy handray andraikitra ity raharaha ity.
Boky vakiana miisa 26 ao amin’ny ambaratonga voalohany no nahazo ny fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hahazo tsy ho ela ny lisitr’ireo boky amin’ny fiteny malagasy sy malagasy-vahiny natonta teto an-toerana ireo sekoly sy ivontoerana famakiana boky manerana ny Nosy.
Miandry ny fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra ny tonon’andro naroson’ny Ceni-T hanatanterahana ny fifidianana ampahany amin’ny solombavambahoaka ny 30 mey 2014. Aorian’io no miantso ireo mpifidy ny filankevitry ny governemanta.
Niakatra 0,8% ny vidin’ireo entana jifaina teo anelanelan’ny desambra 2013 hatramin’ny janoary 2014. Nahitana fitomboana 6,1% kosa ireo salan’isa io nanomboka ny volana janoary 2013 hatramin’ny janoary 2014, hoy ny Ivontoerana mikirakira ny antontan’isa.
Ny talata 06 mey 2014 no fidiran’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena manaraka.
Mihena ny lanjan’ny hena amidin’ny mpivarotra na omby na kisoa amin’izao fotoana. Io no filazan’ireo mpivarokena. Ny antony dia noho ny karemy izay ataon’ny fivavahana katolika. Ny varotra atody no mandeha amin’izao.
Manambara ny jirama fa afaka 22 andro aorian’ny nanapahana ny kaonteran-jiro noho ny tsy fahaloavana ny vola dia alain’izy ireo avy hatrany ny fananany. Ny antony, araka ny filazan’ny tomponandraikitra iray tao amin’ny radio tsy miankina iray dia tsy misy ny kaontera amin’izao nefa ny mpanjifa maro no mangataka. Nambarany koa fa tsy azo atao ny mividy azy ireny eny amin’ny mpivarotra tsotra fa mahavoasazy.
Ramano F sy Rabeso
Tapatapany
Bevohokan’ny rainy niteraka azy 3 volana an-kibo ny zazavavy vao 13 taona monja. Teny Ilanivato Anosipatrana no nitrangan’izany. Efa hafahafa ny toe-batan’ilay zaza vao taitra ny fianakaviana. Namnbaran’ity zaza ity fa eo am-pandrianan’izy mivady mihitsy no hanaovan’ity ray tsy mataho-tody ny filan-dratsiny. Efa voasambotra omaly izy io ary efa eo am-pelatanan’ny manampahefana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.