Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 05 Martsa 2014


Ny 68%-n’ireo olona miasa no miaina amin’ny tsy fahampiana, izany hoe latsaky ny 1,25 dolara isan’andro eto amintsika. Midika io taha ambony io fa ny 7 amin’ny mpikarama malagasy 10 no zara fa miasa, araka ny vokatry ny fanadihadiam-pirenena momba ny fanaraha-maso ireo tanjon’ny fampandrosoana ny taona arivo fahatelo.

Nihatra nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo ireo tahan’ny haban’ny filaminana mifehy ny sidina ho an’ireo mpandeha miainga amin’ireo seranam-piaramanidina lehibe 8 eto Madagasikara. 22,72 dolara miampy hetra isan’olona izany ho an’ireo zotra iraisam-pirenena sy faritra raha 2,98 dolara miampy hetra kosa ho an’ny zotram-pirenena.

100 tapitrisa Yuans na 20 miliara Ariary no fitambaran’ny fanampiana avy amin’ny governemanta sinoa ho an’ny governemanta malagasy. Hiompana amin’ny fanampiana ny sehatry ny fambolena, ny angovo ary hairaha avo lenta sy ny maro hafa.

Ny 30%-n’ireo tranga 2.800 fampijaliana voaangon’ny tambajotra miaro ny ankizy miara-miasa amin’ny Unicef tamin’ireo faritra 9 eto Madagasikara dia resaka fanolanana avokoa. Fantatra io nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady atao amin’ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy isaky ny 4 martsa.

Mandoa hetra 1 dolara isa-kilao farafahakeliny manomboka izao ireo entana hafarana rehetra. Hetra hafa ankoatra ny haban-tseranana fandoa izy io izay tsy voarakitra ao amin’ny tetibolam-panjakana 2014.

Teratany soisa iray no tratra saika hanondrana sokatra miisa 30 omaly talata. Nataony tany anaty entana ireo sokatra no tsikaritry ny mpisava.

 

Nitotongana ny sehatry ny fampianarana hatramin’ny 2002 noho nankaty, hoy ny tomponandraikitra. Ny antony dia tsy afa-nanara-maso intsony izy ireo. 

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT