Feno herintaona nijoroana ny 01 martsa teo ny antoko RDS (Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy) tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina. Teraka tao anatin’ny vanim-potoana nampamaivay ny tolona hamerenana ny ara-dalàna ny RDS, ka nidiran’ny filohany tany am-ponja mihitsy. Ankehitriny dia manolotanan ny fitondrana mijoro amin’ny fananganana fanjakana tan-dalàna sy ny fampihavanam-pirenena ny RDS.
Nihaona voalohany tamin’ny vahoakan’i Tolagnaro ny sabotsy tolakandro teo ireo solombavambahoaka roalahy iray lisitra voafidy tany an-toerana, dia i Hatrefindrazana Jerry sy IJO. Nangataka tolo-tanana sy fiaraha-miasa tamin’ireo mpifaninana tamin’izy ireo ka tsy voafidy sy amin’izay tsara sitrapo ireto depiote vaovao ireto ho fampandrosoana ny Distrika. Malalaka sy midanadana, hoy izy ireo ny varavarana. Nanafana ny fotoana ny tarika Barinjaka, anisan’ny malaza any Tolagnaro.
Nanavao ny birao mpitantana azy ny FIZAFATO (FIkambanan’ny ZAnak’i FAritanin’i TOliara), any Tolagnaro, nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’izy ireo ny sabotsy teo tao amin’ny efitrano malaky ny Lapan’ny tanàna. Ingahy Herindrainy Derry-Mann indray no voafidin’ny mpikambana handimby toerana an’i Sosthène Robson, filoha teo aloha.
Raha ny tsy mbola fisian’ny praiminisitra no mahamety ny toe-draharaha dia aleo hifampiandry eto. Mety amintsika izany, hoy i Sazalahy Tsianihy. Aleo ny filoha hieritreritra tsara.
Nahitana fasana vaky teny Ambohimahatsinjo Imerinkasinina ny faran’ny herinandro teo. Mpaka vilona no nahatsikaritra ny varavarana nisokatra ka nilaza tamin’ny tompom-pasana. Raha ny filazan’ny tompony, isaky ny mandevina ao ry zareo dia tsikariny fa mihetsika amin’ny toerana nametrahana azy ny razana. Taolan-dava no nalain’ireo mpangalatra teto.
RHR/Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.