Tsy mahatratra ny antsasaky ny isan’ireo kandida niatrika ny CEPE tamin’ny taom-pianarana lasa hatramin’izao ny isan’ireo ankizy misoratra anarana hisedra ity fanadinam-panjakana voalohany ity roa herinandro mialoha ny fikatonan’ny fisoratana anarana.
Tokony ho nakarina eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo ireo fiara tsy mataho-dalana nohafaran’ny jeneraly Camille Vital voatazona tao Toamasina. Tsy nandà na nanamarina izany moa ny teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika raha nanipika kosa ny fangaraharana tanteraka avy amin’ny filoha amin’ny fitantanana ny firenena.
Mitohy hatrany ny fanamboarana ny lalana eny Ankorondrano sy ny manodidina izay hovitaina amin’ny volana aprily 2014. Mieritreritra ny hanitatra ity fanamboarana ity hatrany amin’ny lalana mihazo an’i Ivato moa ny fikambanan’ireo manamorona iny lalana eny amin’ny «hydrocarbures» iny.
Rivodoza iray na roa no mety handalo eto Madagasikara amin’ity volana martsa ity, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby.
Ny zoma 07 martsa 2014 izao no hampahafantatra ireo soso-kevitra miaraka amin’ny tolo-kevitra momba ny sehatry ny angovo eto Madagasikara eny amin’ny foiben’ny fikirakiram-baovao eny Antsakaviro ny Vondrona Energie.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.