Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 01 Martsa 2014


Mpiandry fonja miisa 222 no hofanina amin’ity taona 2014 ity. Efa nisokatra tamin’ny 23 janoary lasa teo ny fisoratana anarana izay hifarana ny 24 martsa ho avy izao. Ny 23 hatramin’ny 25 aprily 2014 kosa ireo datim-panadinana manerana ireo tanàna 9 eto Madagasikara. Takiana amin’ny mpifaninana farafaharatsiny ny mari-pahaizana Bepc. Mila mirefy 1,60 metatra ny vehivavy raha 1 ,65 metatra ny lehilahy.

15% isan-taona ny fanjavonan’ireo karazan-tsifaka eto Madagasikara, hoy ny vondrona mpikaroka sy mpanao fanadihadiana momba ny fianakavian’ny gidro. Atahorana ho fongotra tanteraka izy ireo afaka taona vitsivitsy raha mitohy ny fanimbana ala misy ankehitriny. Tsara ny mampahatsiahy fa ny 90%-n’izy ireo dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara.

Hotanterahana ny 05 sy 06 martsa 2014 eny amin’ny Carlton ny andiany faha-5 amin’ny fampirantiana momba ireo toeram-pianarana iraisam-pirenena. Handray anjara amin’ny hetsika ireo oniversite sy ivontoerana fanoroana lalana vahiny hihaona amin’ireo mpianatra malagasy.

Toeram-pizahantany lafo i Madagasikara. Telo herinandro ny faharetan’ny fijanonana ao aminy. 15% ny vokatra anatiny aterany.

Ny kolonely Sedera Nirina Raharijaona no tale vaovao miandraikitra ny fiarovana ny filoham-pirenena. Izy no nisahana ny fitantanana ny 1er RFI teo aloha mialoha ity fanendrena ity.

Ny 04 sy 06 martsa 2014 no hotanterahana ao amin’ny IFM Analakely ny fifanintsanana amin’ilay fifaninanana horonantsarimihetsika fohy eto Madagasikara. Ny 06 martsa kosa no fitsongana ofisialy azy ireo.

Nahitana lehilahy maty indray Teny Antanimbary Androndrakely omaly. Olona eny amin’ny manodidina ihany izy io, araka ny filazan’ny mponina. Efa andro maromaro no tsy nahatazanana azy. Tao anaty tanimbary no nahitan’ny olona azy.

Manomboka amin’ny 5ora maraina dia efa manomboka ny fitohanan’ny fiarakodia manomboka eo amin’ny tetezan’Anosizato hatrany Ampitatafika. Ny Antony dia ny haratsian’ny lalana eo Antanimenakely, raha ny filazan’ny mpamily. Hatramin’ny 8ora alina dia tsy mijanona ny fitohanana izay maharitra ora iray.

Mbola manahirana ny olona ny manoratra ny anaran’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina ankehitriny. Misy ireo manao Rajaonarimampiana, Rajaonarimampianona, Rajaonarimampinina. Heverina ho bitika na tsy ampoizina izy ireny fa manimba ny anaran’olona. Mety mbola vaovao ve izy ?

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT