Mba hahatrarana mpizahatany 4 hetsy ao anatin’ny 18 volana dia nanome tapakila sidina ivelany an-jatony ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany natokana ho an’ireo mpikirakira vaovao iraisam-pirenena Air Madagascar. Natao izany ho fampahafantarana ireo harem-pirenena malagasy sy ho fampiroboroboana ny seha-pizahantany eto Madagasikara. Ho mpiara-miombon’antoka amin’ireo hetsika rehetra tanterahan’ny ONTM kosa ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka malagasy ity.
Tanàna iray amin’ireo tena tsy madio rivotra indrindra manerantany ny renivohitr’i Madagasikara. Sehatra maitso mirefy hatrany amin’ny 72 Ha no ilain’Antananarivo amin’ny taona 2015.
Hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny ady amin’ny famongorana ny andiam-balala ao amin’ny faritra Avaratra Andrefan’ny Nosy, anisan’izany i Soalala, hoy ny komitim-pirenena miady amin’ny valala. Fiaramanidina roa no ampiasaina amin’izany.
Mila manangana sehatra iray mahaleotena toy ny holafitra ireo mpikirakira vaovao sy mpanao gazety malagasy, hoy ny iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Ilaina io hanara-maso ny fanajana ny asa fanaovan-gazety matihanina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.