Tsy maintsy avy amin’ireo mpitandro filaminana no nisian’ireo fahaverezan’ireo fitaovam-piadiana tsy hita. Nanampy trotraka io toe-javatra io ny krizy tamin’ny taona 2002 sy ny vanim-potoanan’ny tetezamita, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny serasera amin’ny daholobe eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Efa mitsangana moa ny vaomiera manokana hisahana ny fanadihadiana ifotony maharitra momba azy io. Ny foloalindahy, ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena no miara-misalahy amin’izany.
Nahatratra 3.811 ireo «carte grise» elektrônika notsinjarain’ny sampana mpanome laharana fiara nanomboka tamin’ny volana novambra 2013 teto Antananarivo sy Antsiranana. Tsy ho ela kosa dia hizara ny azy ny ao Toamasina izay vao nahazo sampandraharaha manokana miandraikitra ny fitsinjarana. Sandaina 73.000 Ariary ny vidin’ny «carte grise» elektrônika vaovao iray tsy azo adika raha nozaraina fotsiny ireo teo aloha.
Mampahatsiahy ny fahefana hananan’ny filohan’ny Repoblika, izay voafidim-bahoaka ara-demokratika amin’ny praiminisitra voafaritra ao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010 ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Midika io fa eo ambany fifehezan’ny filoham-pirenena ny lehiben’ny governemanta.
Mieritreritra ny hampihen-danja ny sandan’ny vola malagasy ny Banky Foiben’i Madagasikara mandra-piverenan’ny fifanarahana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra avy amin’ny Bretton Woods. Mbola misongadina aloha hatreto ny fidinan’ny sandan’ny ariary noho ny tsy fahabetsahan’ny tinady mihoatra amin’ny tolotra vola vahiny, hoy ny mpahay toekarena.
Niakatra be ny fangatahana alalana hitondra basy nandritra ny taona 2013. Manaporofo ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena no anton’izany, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Atitany.
Ho avy eto Madagasikara ny minisitra lefitra sinoa misahana ny raharaham-pirenena Atoa ZHANG Ming. Ho tonga anio 27 febroary ary haharitra hatramin’ny 2 martsa 2014. Anisan’ny anton-diany ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta.
Ny fifanatonana eo amin’ny hery politika no vahaolana amin’ny fanendrena praiminisitra, ary olona mendrika no tokony hapetraka amin’izany toerana izany, hoy i Beriziky Jean Omer.
Nahazo borigadin’ny zandarimariam-pirenena ny eny Ambohimanga Rova raha tobin-janaparitra no tao Tanambao teo aloha. Notokanana omaly ny fotodrafitra hiasan’ity borigady ity.
Notokanana omaly ny paositry ny Polisy eny Loharanombato Itaosy. Fanatanterahana ny politikan’ny Polisy manatona vahoaka izy ity. Voalaza ho faritra mena mantsy iny toerana iny
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.