Ny HVM sy Komity Mpanohana ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ao Faritra Analanjirofo dia mitsipaka tanteraka ny faneriterena amin’ny endriny rehetra izay ataon'ny sasany, na an-kolaka na mivantana, amin’ny fanendrena ny Praiminisitra fa hamela malalaka ny Filoha hisafidy malalaka izay hiara-kiasa aminy mba hahatanteraka ny programan'asa izay nampanantenainy ny vahoaka.
Matahotra ny handrombahan’ny MAPAR ireo toerana filoham-baomiera isan-tsokajiny ety amin’ny Antenimiera tahaka ny efa nandrombahanay ny toerana birao maharitra rehetra ny vondrona PMP, hoy ny depiote filoha lefitry ny Antenimiera Faritanin’i Toliara Raharoarilala Tinoka Roberto Michael, ka lasa nivoaka ny efitrano fivoriana.
Nisy tolo-dalàna nentin’ny kestora II Rakotomanga Lanto ny amin’ny tokony hanomezana ny antoko mpanohitra ny toeran’ny filohan’ny vaomieran’ny toekarena narosony nankatoavina eo anivon’ny fivoriamben’ny solombavambahoaka omaly. Lany niaraka tamin’ny isan’ny vaomiera ho 27 hatramin’io anjaran’ny mpanohitra io izany.
Noferana ho 80sm ny haavon’ny entana entin’ireo fiara mpanao fitaterana mankany amin’ny faritany eny amin’ny fasan’ny karana. Ny antony dia mba hialana amin’ny loza. Ny mpitandro ny filaminana no hisahana ny fisavana azy ireny. Haraha-maso koa ny toe-pahasalaman’ny mpamily.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.