Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 25 Febroary 2014


Hampahafantatra ny tatitra farany mikasika ny fanaraha-maso notontosain'ny Iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin'ny Vondrona Eoropeanina teto Madagasikara ny lefitry ny lehiben'ny Iraka mpanara-maso ny fifidianana, Rtoa Sandrine Martins Espinoza. Izany dia hotanterahina ao amin'ny efitra fandraisam-bahiny Ibis Ankorondrano, lalana Hydrocarbures Ankorondrano, Antananarivo, ny alarobia 26 Febroaryizao amin'ny 11 ora.

Nahitana baomba natao tanana teny amin’ny lalana Rasalama Manjakaray omaly maraina tokony ho tamin’ny 4ora 30. Nisy nametraka teo amboditranon’olona izy io. Lehilahy nivoaka maraina no nahita azy, ary nampilaza tamin’ny vadiny. Izy ireo indray no nampahalala ny Fokontany, ary ity farany niantso ny mpitandro ny filaminana. Natsefotra ilay baomba taorian’izay.

Rangahy iray no maty tsy tra-drano teny Ankadievo-Ivanja omaly hariva tokony ho tamin’ny enina ora mahery. Adin’ny mpivady no niandohany, izay zavatra efa fanaoan’izy ireo. Samy mamomamo ny roa tonta. Notsatohan-dramatoa ny antsy ny tendam-badiny ka maty ilay rangahy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra.

Maro ireo misotro sy midio amin’ny rano maloto eny Ambodirano Ampefiloha noho ny tsy fahafaha-mividy rano madio. 30Ar mantsy ny rano iray siny, nefa tsy efa izany. Amin’ny vanim-potoana fahavaratra toy izao koa dia mahatratra 200 ireo traboina vokatry ny tondradrano amin’iny toerana iny.

Nanomboka ny sabotsy lasa teo no efa dibo-drano ny arabe manoloana ny tobin-dasantsy TOTAL etsy Ambodin’Isotry. Samy mijaly na ny mpamily fiara na ny mpandeha an-tongotra na ny mpitarika sarety na ny mpivarotra. Noho ny fahateren’ny lakandrano no antony.

Jean D sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT