Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny efitra «Gisèle Rabesahala» ao amin’ny Tranombokim-pirenena natokan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy Vakoka ho an’ireo mpanakanto.
Tsy manaiky sarany tapa-dalana intsony nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ireo kaoperativa zotra G sy F mampitohy an’Anosy sy Ampitatafika sy Fenoarivo. 700 ariary daholo ankehitriny ny saran-dalana.
Misokatra ankehitriny ny vatsim-pianarana «Master II» sy «Doctorat» mankany Roumanie ao amin’ny masoivohon’ny oniversiten’ny Frankofonia na AUF. Efa misy mpianatra Malagasy miisa telo amin’izao fotoana izao manovo fianarana any an-toerana.
Mahatratra 35.000 m² na 4 km ny refin’ireo lalana tena ratsy eto an-drenivohitra. Mitentina 1,4 miliara Ariary na 200 tapitrisa Ariary isaky ny kilometatra anefa ny tetibola amin’ny fanamboarana ilaina. Efa mijery ity asa anisan’ny laharam-pahamehana ity moa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Maherin’ny 11.500 ireo mpizahantany nitsidika ny valanjavaboarim-pirenena Ankarafantsika tamin’ny taona 2013.
Mandoa vola nanomboka ny 10 febroary lasa teo ireo fiarabe mpitatitra entana miditra ao an-drenivohitr’i Mahajanga. Miankina amin’ny lanjan’ireo entana taterina ny vola aloan’ny fiara tsirairay.
Nanatanteraka asa soa teo anivon’ny fiarahamonina ireo mpisolovava ao amin’ny tanànan’Antsiranana. Manoro hevitra maimaimpoana ireo mponina momba ny tontolon’ny fitsarana mantsy izy ireo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.