Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 21 Febroary 2014


Ireo firenena mpikambana ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenenan’ny Frankofonia no manapa-kevitra amin’ny famerenana an’i Madagasikara ao. Efa maro amin’izy ireo no nanambara izay finiavana izay ary efa tsy ho ela intsony io fotoana io satria mandritra ny filankevitr’ireo fanjakana mpikambana afaka herinandro vitsivitsy, hoy ny talen’ny filaminana sy ny fandriampahaleman’ny OIF.

 

Vita omaly tolakandro ny fifamindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo sy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine. Nizotra tao anatin'ny fifanajana sy fahatsorana ny fotoana.

 

Ny fahatanterahan’ny fifidianana teto Madagasikara izay nahalany ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery dia mampiseho tranga iray amin’ny fivoahan’ny krizy eto Afrika, hoy ny minisitra Kôngôley misahana ny fitantanam-bola, Patrick Kitebi.

 

 

Andrasana eto Madagasikara amin’ny volana martsa ireo manampahaizana indoneziana hizara traikefa eo amin’ny sehatry ny fambolena. Hisy mantsy ny fandaharanasa hiarahan’ny firenena roa tonta momba ny famokarana soja eto amintsika izay hatomboka amin’io fotoana hahatongavan’izy ireo io.

 

 

Tranga teo amin’ny 110 teo no voaray teo anatrehan’ny sendika matihanina manana ny mari-pahaizana momba ny asa sosialy tamin’ny taona 2013. Ankizy tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo lasibatra ary ireo olona akaiky azy ireo ihany no manatanteraka ity fihetsika mamoafady ity, hoy ny fanampim-baovao.

 

 

Hidina ifotony hanara-maso ny fiaingana eny amin’ny tobim-piantsonana manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ireo mpitandro filaminana, ny ministeran’ny Fitaterana sy ny masoivohon’ny mpitatitra an-tanety. Natao izany mba ialana amin’ireo fisavana tsy misy farany eny amin’ireo lalam-pirenena.

 

Mirefy 14 km ireo lalankely namboarina teto amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra tamin’ny taona 2013, izay tafiditra amin’ny tetikasa vatsian’ny Masoivoho frantsay misahana ny fampandrosoana. Hifarana amin’ny faran’ny volana martsa io tetikasa io.

 

Niakatra teo amin’ny 12% ny isan’ireo lozam-pifamoivoizana an-drenivohitra ny taona 2013 mihoatra amin’ny 2012, araka ny tatitra nivoaka.

 

Any amin’ny trano fandraisambahiny no mitoby ny ankamaroan’ny depiote  mivory manokana eny Tsimbazaza. Mahatratra 70.000Ar isan’andro ny hofan-trano omena azy ireny. Nanomboka ny talata 18 febroary lasa teo izany. Mikararana ny vola lany amin’ireto solombavambahoaka ireto.

 

Tranga hafa indray no niseho teny amin’ny EPP 67ha omaly. Nitokona niaraka tamin’ireo mpampianatra sy ray aman-dreny ireo mpianatra madinika marobe naneho ny tsy fahafaliany. Ny antony dia nananganan’olon-tsotra trano ny manoloana ny sekoly ka lasa maizina antoandro. Ny vovoka sy ny poti-biriky tafiditra any anaty trano.

 

Mahatratra 600-800Ar ny vidin’ny kapoakan’ny fotsimbary any Tsaratanana tampon-tanana faritra Betsiboka. Ny fikijan’ny orana tsy mijanona no antony. Ratsy ny lalana ka tsizarizary ny famatsiana. Maro koa ireo mpianatra no tsy afa-mianatra noho ny haratsian’ny andro.

 

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny Nanisana omaly hariva. Fiara fitaterana 194 no niharan-doza. Raha ny vaovao dia nahafatesana olona izy io.

 

 

Ramano F sy Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT