Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 20 Febroary 2014


Hatolotra mandritra ny fivorian’ny komity misahana ny filaminana anabakabaka eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ny 21 sy 22 martsa 2014 ny tatitry ny irak’ireo manampahaizana eoropeanina tonga teto Madagasikara. Tafiditra ao ny zava-misy iainana ao amin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar ankehitriny sy ny fahafahany manaraka ny lalàna mifehy ny filaminana anabakabaka maneran-tany.

 

Sandratririna Andriambolatiana, mpanolotsaina teknika ao amin’ny fandaharanasa Germano-Malagasy momba ny tontolo iainana sy Ketakandriana Rafitoson, mpandrindra ny Women and Youth’s League for Democracy. Izy mirahavavy ireo no teratany malagasy voatsonga hisolotena an’i Madagasikara hitsidika ireo andrim-panjakana eoropeanina amin’ity taona 2014 ity.

 

Latsaky ny antsasak’ireo dabam-pako misy eto Antananarivo renivohitra ny voangona ara-dalàna, hoy ny eo anivon’ny Kaominina. Dabam-pako 160 amin’ireo 347 ihany mantsy no tratra noho ny tsy fahampiana.

 

Miditra avy hatrany any amin’ny toerana fanasaziana ireo sarety sy posiposy tsy manaraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CUA. Mijanona any mandritra ny 10 andro izy ireo.

 

Ny dingana farany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sisa no andrasana amin’ny fanorenana ilay tobim-piantsonana zotra nasionaly vaovao midadasika eny Ambohijanaka mirefy 7ha. Tokony ho azo ampiasaina mialoha ny faran’ny taona izy io raha ny vinavina.

 

Manomana hetsika lehibe ho fanoherana ny fitondrana ireo mpitarika ny mandatehezana ho an’ny fahafaham-pirenena na ny «Front pour la Libération Nationale» eny Andravoahany Ambony ny sabotsy voalohan’ny volana martsa 2014. Hetsika tsy fankatoavana ihany koa ny fidiran’ny firenena vahiny amin’ny raharaha eto Madagasikara.

 

Nianjera ny andrinjiron’ny jirama iray eny Anosipatrana omaly. Saika nampidi-doza olona maro izy io. Mifanolotra amin’ny toeram-pantsakana mantsy ilay izy. Tamin’ny 7ora30mn maraina, andro fantsakana no nidarabohany. Olona telo no nieren-doza, ilay saika hanovo rano iny indrindra. Efa lo ny vodin’ity andrinjiro ity ka izao tsy nahazaka ny tariby tarihiny intsony.

 

Manjaka ny halabotry eto an-drenivohitra amin’izao fotoana. Miditra ny tanàna amin’ny andro antoandro mihitsy izy ireny. Omaly teny Anosipatrana dia vilany nisy vary tsy nisy sarony no nobatainy. Tsy misy tahotra fa dia andalovany fotsiny ny olona. Raha mijery azy dia rahonany. Vokatry ny fahantrana daholo izany.

 

Namono olona indray ny reniranon’i Mamamba ny talata maraina teo. Tovolahy 20 taona no maty vokatry ny fivonkonankozatra nahazo azy tampoka tao anaty rano. Telolahy izy ireo no niara-nilomano fa ny roa avotra soa aman-tsara. Tsy hita ny razana raha tsy ny alarobia. Nantsoina ihany ny mpamonjy voina fa tara vao tonga.

 

42 taona nifaneraserana tao amin’ny radiom-pirenena i Solofo Jose izao lasa izao. Ny famakiana sy famelomana tantara tamin’ny fampielezam-peo no nampalaza azy manerana ny nosy. “Tena sarotra ny mamelona tantara an’onjampeo. Ilana fifantohan-tsaina sy fitazonana feo ary famoahana fihetsehampo”, hoy izy.

 

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT