3,6 miliara Ariary isan-taona na 300 tapitrisa Ariary isam-bolana no vola aloa amin’ireo mpiasam-panjakana matotoa, hoy ny minisiteran’ny Asam-panjakana. Fatiantoka goavana ho an’ny fanjakana izy io ka izany no mahatonga ny fitondrana manao fanamarihana ireo tena mpiasam-bahoaka ankehitriny.
Ny fampiasana mandavantaona ny taratasy manokana isaky ny omby na FIB (Fiche Individuelle de Bovin) no fomba tokana sy tsara indrindra ahafahana mitsogodia ireo omby halatra eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny Fiompiana Randriamandrato Ihanta.
Mifanaraka amin’ireo fenitra ara-kalitaom-pampianarana sy ny tontolon’ny asa eny Ankatso ny fiakaran’ny saram-pisoratan’anarana, hoy ny oniversiten’Antananarivo. Tafiditra amin’io mari-bola io mantsy ny fampiasan’ny mpianatra aterineto, ny fahazoana mampiasa ny dobo filomanosana sy ireo toeram-pilalaovana ara-panatanjahantena isan-karazany.
Mila hatrany amin’ny velaran-tany mirefy 100Ha ny fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, hoy ireo tompon’andraikitra misahana ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara na Adema.
Tokony hisy ny fivorian’ireo fikambanan’ireo mpanao gazety amin’ny volana martsa handinihana ny fametrahana ny Holafitry ny mpanao gazety, hoy i Andriamarotafika Soava, filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery tsy miankina.
Nanapa-kevitra ny hampitovy lenta ireo tsenam-bahoaka amin’ireo Kaominina misy eto Madagasikara ny fahefana misahana ny tsenam-bahoaka na ARMP sy ny Tahiry misahana ny fampandrosoana ifotony na FDL.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.