Nanatitra fanambaram-pananana teo anivon’ny Bianco Toamasina ireo zandary notarihan’ny komandin’ny fari-pididian’ny zandary Toamasina Jly Ratsironkavana Violet Clément omaly. Nandray azy ireo kosa ny zandry talem-paritanin’ny Bianco Toamasina ny Kly Rabenarisoa Emile. Niisa 288 ireo antontan-taratasy fanambaram-pananana naterina, ka tao anatin’izay ny an’ireo manamboninahitra jeneraly sy ireo manamboninahitra ary ireo manamboninahitra lefitra hatramin’ny zandary mpianadraharaha.
Potika ary tsy misy azo antenaina intsony ny valanjavaboary nasionalin’Andohaela sy ny alaben’i Tsitongambàriky. Nambaran’ny teknisian’ny tontolo iainana iray any Tolagnaro fa potika ny 70%-n’ny ala. Izany dia vokatry fitrandrahana tsy ara-dalana ny voamboana na «palissandre» sy ny hazo mainty na «bois d’ébène» ary ny andramena na «bois de rose».
Hiaraka hisalahy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisiteran'ny filaminana anatiny amin'ny fandaminana ny tanàna. Voakasik'izay mnokana ireo sarety mivezivezy amin'ny antoandro, izay mitarika amin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana ary mety hitarika loza ihany koa eo koa ireo fiara amidy mameno parking.
Rendrika teo amin’ny vinanin’Ankadimbazaha ny lakam-by mampitohy ny Kaominina Manambolo amin’i Maroantsetra. Ramatoa iray no namoy ny ainy tamin’izany. Havesaran’ny entana no voalaza fa nitarika ny loza.
Tampenana vonjimaika ireo lalana tena ratsy eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Anisany ny eny Ambodimanga Besarety izay tena mampikaika ny mponina. Tena mampitohana ny fiara ny fisian’ireny lavaka ireny
Rakoutou sy Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.